airtel

Politique

18-sept-2024

Firotsahan-kofidiana manerana ny Nosy

Tsy ampy 5% amin’ny kaominina 1695

Sample post image

24 ora sisa dia hifanarana ny fe-potoana napetraka hahafahana mandray ny antontan-taratasin’ireo

18-sept-2024

kandida ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly, izay hikatona rahampitsi 19 septambra 2024. Zara raha misy kandida anefa manerana ny Nosy noho ny antony maro samihafa. Amin’ireo kaominina 1695 manerana ny Nosy, mbola kaominina 73 ihany no naharaisan’ireo OVEC taratasy firotsahan-kofidiana hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, izany hoe : mbola tsy misy 5% akory. Raha ny ohatra iray eto amin’ny Faritra Analamanga, dia kandida miisa 4 amin’ny kaominina 4 samihafa no nisy kandida nametraka ny antontan-taratasiny ho an’ny Distrikan’Ambohitratrimo izay misy kaominina 24 isa. Voalaza fa efa nalefan’ny CENI any amin’ny Fanjakana ny taratasy fangatahana fanalavana ny fe-potoana hahafaha-mandray ny dosien’ireo kandida, ka miankina amin’ny governemanta ny tohiny. Eo amin’ny herinandro eo ny mety ho fanalavana. Anisan’ny manahirana ireo kandida ny fahasarotan’ny fahazoana ny taratasy ilaina sasany raha tsy hilaza afatsy ny taratasin-ketra « 211 bis » izay tena miteraka adihevitra maro ankehitriny. Io miteraka resabe io ny toe-javatra mikasika ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa maro ihany koa ireo tranga mitovitovy amin’io. Ao Mahajanga, ohatra, misy kandida nahaloa hetra ara-dalàna, nanefa izany an-tsakany sy andavany ary efa nitondra ny porofo samihafa, saingy mbola tsy nivoaka ilay « 211 bis » hatramin’ny omaly satria mbola miandry baiko na «instruction » ny eo anivon’ny Ivon-ketra, indrindra fa olona manana ny lazany no kandida mangataka izany. Sary mitranga ny endrika ny toa fampiasana ny fahefam-panjakana, ny rafi-panjakana, ny fitsarana hanaovana antsojay sy kapa ranjo ireo kandida mety atahorana. Tsy asiana resabe intsony ny mikasika ny eto an-dRenivohitra izay ady tsy vita ny an’ny TIM sy ny volomboasary, fa ireo tranga hafa dia mampametra-panontaniana hoe : fifandrifian-javatra ihany ve ny famoahana didim-pitsarana manameloka ireo kandida miisa roa any amin’ny tanàn-dehibe isan’ny stratejika eto Madagasikara dia ny ao Antsiranana sy Mahajanga ? Mbola fanontaniana mipetraka mandrak’androany ihany koa ny hoe : nahoana ny eo anivon’ny antokom-panjakana no toa tsy rototra tamin’ny fanaterana antontan-taratasy ? Sa efa nahalala mialoha ny mety ho fihemorana satria ny governemanta rahateo no tompon’ny teny farany ka ny hafa ampijaliana amin’ny fahasarotana ara-panjakana na « lourdeur administrative » fa ny ny kandidam-panjakana milamindamina sy mahazo vaovao manokana ? Tena mahafeno fepetra amin’ny antsipirihany ve ny kandidam-panjakana ary tsy mba manana olana ? Azo antoka 100% ve feno avokoa ny dosien’izy ireo ?
Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique

18-sept-2024

Niditra an-tsehatra mivantana nanamafy ny fandetehana an’i Marc Ravalomanana ny Fanjakana foibe tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekerana sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison

Card image cap
18-sept-2024

Nomelohin’ny fitsarana 5 taona an-tranomaizina, lamandy 2 000 000ar, izay sazy mihantona avokoa i Patrick Raharimanana,

Card image cap
18-sept-2024

Nangataka hihaona tamin’ny CENI ny avy amin’ny fanoherana notarihin’ireo depiote avy amin’ny

Card image cap
18-sept-2024

Nametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana ho ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitr’Antehiroka

Card image cap
16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap