airtel

Politique

13-nov-2023

Fisamborana parlemantera

Tsy ara-dalàna hoy ireo depiote sy ny PAN

Sample post image

Nanao rodobe teny amin’ny Tobin’ny zandary misahana ny heloka bevava tetsy

13-nov-2023

Fiadanana ireo solombavambahoaka sy solontenan’ny kandida omaly, teo anatrehan’ny fisamborana ny depiote sady Filohan’ny Vondrona Parlemantera TIM Fetra Ralambozafimbololona. « Ny mampalahelo dia natao tahaka ireny misambotra kisoa ireny no nanaovana solombavambahoaka. Notsindriana, dia nohitsahina ny lohany, tsy avela mijery ambony, matory ao anatin’iny fiara iny,… Ilay maha olombelona mihitsy no tsy misy fa ohatran’ireny biby ireny dia notsindriana mba tsy handositra. Lasa atao fitaovana politika ny zandary fa tsy mifanaraka intsony amin’ilay hoe : tanindrazana sy lalàna », hoy ny Depiote Ramboasalama Emilien. «Notsipihiny fa ao anatin’ny zo tsy azo samborina na « immunité parlementaire » tanteraka ny depiote Fetra Ralambozafimbololona satria ao anatin’ny fivoriana rahateo ny antenimeira, saingy atao fitaovana politika ny zandary dia tsy manaja ny lalàna intsony, tsy manaraka ny dingana tokony hatao fa tonga dia misambotra fahatany. Baiko politika, fa tsy manara-dalàna na kely aza, hoy izy. Ny tonia mpampanoa lalàna dia tokony mandefa taratasy amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena raha misy fisamborana, ary mahazo alalana avy amin’io filohana andrim-panjakana io izay vao mahazo misambotra. Nanamafy an’io tao anatin’ny fanehoan-kevitra fohy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety tetsy Tsimbazaza, ka nahitsy izy nilaza hoe : « Tsy azo atao ny misambotra parlemantera ao anatin’ny fivoriana ara-potoana raha tsy mahazo alalana avy amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ». Raha raisina amin’io dia tsy nisy alalana avy aminy ny fisamborana omaly. Nomarihin’ny depiote Ramboasalama Emilien amin’ny maha manamboninahitry ny tafika efa misotro ronono azy ny hoe : tsy miady amin’ny mpitandro filaminana isika, ny mampalahelo dia ny sasantsasany no manao tsy ara-dalàna, ary ny sasan-tsasany no tsy manaja ny fitsipika ao anatin’ilay hoe : « dans la règle de l’art », dia ny mpitandro ny filaminana rehetra no voahoso-potoka. Tsy miady aminy, zanaky ny fiarahamonina tahaka antsika izy ireny na polisy na zandary na miaramila, hoy hatrany izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap