airtel

Politique

23-oct-2023

Fitakiana fifidianana madio sy fanovana

Nangorom-potsy ny Coliseum, hihamafy ny tolona

Sample post image

Niharihary ny fiaraha-mientana ho an’ny tanindrazana ny sabotsy 20 oktobra lasa teo tao anatin’ny Diabe sy ny

23-oct-2023

famoriam-bahoaka notarihin’ny Firaisankinan’ny kandida sy ireo olom-boafidy tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Tsy arakaraka ny fahateren’ny fotoana satria ny zoma tamin’ny 5ora sy sasany hariva vao fantatra ny fisian’ny fahazoan-dàlana hamory vahoaka etsy amin’ny Coliseum, saingy tsy nahasakana ny vahoaka tsy ho tonga, nahavory olona manodidina ny 50 000, tsy nisy doka sy fanentanana miezinezina tao anatin’ny fotoana maharitra tahaka ny hetsika maro samihafa. Tsy takona hafenina ny faharesen-dahatry ny vahoaka, ny fiaraha-mientana avy amin’ny herivelona samihafaa: sendika, antoko politika, olom-boafidy tahaka ny solombavambahoaka, fa indrandra indrindra ny mpanakanto izay efa hatrany amin’ny 50 mahery noho ny faharesen-dahatra fa tolona ho an’ny firenena ity. Tena fanoloran-tena ho an’ny firenena fa tsy mila tambiny, araka ilay hoe: “Tsy voavidy vola”. “Hiady ho amin’ny tombotsoa ambonin’ny firenena fa tsy ho ana antoko na vondron’olona, ka na inona na inona hiseho dia mivonona ny amin’izany, mila miray hina isika”, hoy ny Firaisankinan’ny kandida. Efa nasionaly ny tolona fa manerana ny Nosy, ka maro ihany koa ny hetsika nanerana ny Faritra. Natsikafon’ny Firaisankinan’ny kandida tetsy amin’ny Coliseum izay ivon’ny hetsika kosa fitongilanan’ny governemanta tarihin’Atoa Ntsay Christian, ny fitanilan’ny rafitra mikarakara ny fifidianana, ny fanohintohinana ny zo fototra sy ny fahalalahana maneho hevitra,… izay mitambatra manamarina fa tsy feno fepetra ilaina mba hisian’ny fifidianana milamina, mangarahara, azo antoka, ary eken’ny rehetra.
TOE-JAVATRA TSY AZO HANOHARANA
Noho ireo antony ireo miampy antony maro hafa, fa indrindra ny zava-manjo ny kandida Andry Raobelina izay tsy afa-miatrika ny fifidianana noho ny fandratran’ny mpitondra azy ny 02 oktobra, manamafy ny tsy fanekena ny hanatanterahana ny fifidianana amin’ny 16 novambra ny Firaisankinan’ny kandida. Manasokajy ny toe-draharaha ho ao anatin’ny tsy azo hanoharana na “cas de force majeure” araka ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenena antony tsy maintsy hanemorana ny fifidianana noho izany ny Firaisankinan’ny kandida. Ny maro an’isa no nanasonia izany satria nahatratra 10 amin’ny 13, ary raha mampahatsiahy ny tsoriakam-baovao taorian’ny fihaonan’ireo kandida tamin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena no nivoahan’ny resak’ireo kandida fa mety tsy hahazo fankatoavana ny fifidianana eto rehefa tsy ankatoavin’ny maro an’isa, ka tokony hahemotra hahafahana mandamina ny zava-drehetra. Hentitra ireo kandida nanambara fa tsy misy ny antoka hisian’ny fifidianana madio, ka hametraka fitoriana any amin’ny Fitsarana Afrikanina misahana ny zon’olombelona sy ny vahoaka ihany koa izy ireo. Natsikafon’izy ireo ny fisian’ny fanakantsakanana mivantana na ankolaka ireo iraky ny sehatra iraisam-pirenena ho avy hijery sy hanara-maso akaiky ny toe-draharaha eto. Nilaza ny SADC faamin’ireo firenena mpikambana ao anatiny, dia I Madagasikara irery ihany no hany firenena mandà ny fahatongavan’ny “Comité des Sages” avy amin’ireo rafitra misy antsika, hoy ny tatitr’ireo kandida. Mialohan’ny fanatanterahana ny fifidianana no voafaritra fa hahatongavan’izy ireo, ary manampy izany dia hisy ny andiana mpanara-maso hikanona maharitra eto, mpanara-mason’ny SADC izay tokony ho tonga eto Madagasikara. Ny 18 septambra, ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Komity minisiterialy eo anivon’ny Troikan’ny SADC ihany koa dia efa nandray naoty ny ahiahin’ny Firaisankinan’ny kandida mikasika ny fifakarakarana fifidianana. Mihasarotra ny toe-draharaha,

MITOHY NY TOLONA
Mitohy ny tolona, eny Andranomena ny fotoana rahampitso hoy i Roland Ratsiraka. Malahelo aho raha misy namana manao propagandy kanefa misy kandida marary, hoy izy, hoy ny kandida Roland Ratsiraka eo anatrehan'ny firosoan'ny kandida iray ao anatin'ny fampielezan-kevitra. Nohamafisin'i Roland Ratsiraka ny andininy faha-47 ao amin'ny lalampanorenana miteny ny amin'ny tokony hanemorana ny fifidianana sy hanomezana daty vaovao mifanaraka amin'ny fahasitranan'ilay kandida.
Toky R 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap