airtel

Politique

18-déc-2023

Fitantanana an’i Madagasikara

Ny fahefana no azo fa ny firenena milentika…

Sample post image

Vita ny fianinanana, azo ny fahefana, vita ny fety sy ny seho ivelany,… fa hanao ahoana amin’izay ny fiainam-bahoaka manomboka eto ?

18-déc-2023

Nambara fa hijery kokoa ny sosialim-bahoaka ka hiseho amin’ny endrika tahaka ny ahoana ? Hizara vatsy tsinjo sy tosika fameno amin’ny ampahan’olona nifidy dia hanao ahoana ny valalabemandry ? Raha hiverenana ny 5 taona lasa, tsy fitiavana sy fankahalana raha hiteny fa tsy nanao zavatra ny fitondrana. Na izany aza, tena arakaraka ny fampanantenana ve ny vokatra ? Tena nahomby sy tanteraka ve ny politikam-pampandrosoana sy ny programan’asa notanisana ? Nanao ahoana ny fari-piainan’ny Malagasy ? Miteny ho azy ireo tarehimarika samihafa, tahaka ny hoe : niainga 74% ny tahan’ny olona mahantra miaina ambanin’ny 2,15% dolara isan’olona isan’andro izay lasa 80,7% ary io no ambony indrindra teo amin’ny tantara. Porofoin’ny filaharana eo amin’ny hanohanana na GHI (Indice mondial de la faim) io izay eo amin’ny laharana faha-124 amin’ny 125 i Madagasikara satria ambanin-javatra ihany koa ny politika ho an’ny famokarana. Ny politikan’ny kitaitaitra sy ny seho ivelany no betsaka, hany ka mitotongana ny toekarena, miharatsy ny fiainana ara-tsosialy,… Isan’ny anton’io ny fitotongan’ny fampianarana sy ny fanabeazana, tsy fisian’ny politikan’ny famoron’asa mahomby,… Ambany dia ambany ny « Indice de Capital Humain » na ny tondro momba ny fananana olona manana fahaiza-manao ho afaka ny ho hery ho an’ny firenena, izay zara raha 0,39 io satria atao ambanin-javatra ny fampianarana. Vokany mihazakazaka sy mirongatra ny sehatra tsy ara-dalàna na « secteur informel », mitombo ny tsy fandriampahalemana. Araka ny tatitra ny UNICEF tamin’ny fiandohan’ity volana ity, tanora 3 amin’ny 10 no voatery mitsoaka an-daharana an-tsekoly noho ny tsy fahampiana ara-bola eto Madagasikara. Amin’ireo mahavita fianarana, betsaka no manana fahasarotana amin’ny fitadiavana asa. Ny isan’ny antony betsaka indrindra miteraka tsy fandriampahalemana nambaran’ny tanora nanaovan’ny UNICEF fanadihadiana dia ny 63% no milaza fa noho ny fahantrana, 55,8% kosa no maneho fa noho ny tsy fisian’ny asa mampidi-bola, ary 26% kosa no milaza fa noho ny fihinanana ireo zava-mahadomelina. Ratsy ny tondro amin’ny endriny maro, ary hita taratra amin’ny fiainam-bahoaka. Misy ve ny politika mazava hoentina miatrika sy mamaha an’izany ? Ny fizarana vatsy tsinjo na tosika fameno na hani-masaka na koa koveta sy jiro kely mandeha amin’ny masoandro ve mahavaha an’izany ? Asa raha hisy ny fahagagana sy ny fiovana fa raha mbola ireo endri-pitantanana efa hita dia tena mbola tandindonin-doza hatrany ny Malagasy ? Ny olana eo tsy voavaha kanefa mbola betsaka ny ambana, zavatra mitatao ara-toekarena sy ara-tsosialy ohatra ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika afaka amin’ny fiandohan’ny taona 2024 io fa moa misy vahaolana mafonja hiatrehefana sa ho avy indray ny tandrametaka toy ilay nilazana fa hanafatra bus manara-penitra 1000 !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-sept-2024

Nanomboka ny desambra 2023 nialohan’ny nandraisany fahefana, am-polony ny fivoahan’ny filoha Rajoelina tany ivelany.

Card image cap
06-sept-2024

Mbola i Jimmy Randriantsoa no kandida Ben’ny tanana atolotry ny antoko Tiako I Madagasikara

Card image cap
06-sept-2024

Omaly Alakamisy 05 Septambra vao niteny Atoa Avotraina Andriamosa voafidy ho solombavambahoaka

Card image cap
05-sept-2024

Efa nanomboka nafampana ny tontolo politika tamin’ny herintaona tahaka izao mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena ;

Card image cap
05-sept-2024

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio 05 septambra hatramin’ny 19 septambra ny fandraisana antontan-taratasy ho

Card image cap
05-sept-2024

Iray andro nialohan’ny fisokafan’ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo kandida ben’ny tanàna sy mpanolontsaina monisipaly,

Card image cap