airtel

Politique

15-janv-2025

Fitantanana Firenena, savorovoro politika

Mbola henoina sy apetraka ho arofanina ve ny Fiangonana…

Sample post image

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

15-janv-2025

Fiangonana sy ny Fitantantanan-draharaham-panjakana na « Laïcité de l’Etat » teto Madagasikara. Hatramin'ny Fahaleovantena (1960), dia manambara ny tenany ho Fanjakana laika i Madagasikara. Na izany aza, nirazotra teo hatrany ny fifampidiran’ny fiangonana tamin’ny raharaham-pirenena. Tamin'ny fitondran'i Marc Ravalomanana (2002-2009), dia nesorina tao amin'ny lalàmpanorenana ny resaka « laïcité de l’Etat ». Naverina indray ao anaty lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 nolaniana ny 20210 ary voaresaka any amin’ny andininy faha-2. Adihevitra be ity resaka ity, ary mety samy hanana ny fandraisany azy, fa ny heverina fa tena heviny dia tsy afaka afangaro sy atao mifampiditra ny fivavahana sy ny fiangonana andaniny sy fitantanan-draharaham-panjakana ankilany fa misaraka tsara. Tsy midika io fa mifanipaka ny fiangonana sy ny fitondran-draharaham-panjakana satria tokony ho afaka miaraka tsara. Isan’ny manamarika ny raharaham-pirenena ny Fiangonana raha tsy hilaza afatsy ny ireo Raiamandreny mpitantana ny FFKM izay niditra an-tsehatra napetraka ho mpandamina sy elanelam-panahy tamin’ny raharaham-pirenena sy savorovoro politika toy ny krizy tamin’ny 1991, 2002, 2009,… Azo sokajiana ho arofanina ho an’ny Firenena, ho an’ny mpitondra, ho an’ny vahoaka ny Raiamandreny amam-panahy, sokajiana ho mpaminany ny fiangonana, ary anatin’ny firaisamonim-pirenena na « société civile », izany hoe : rafitra manana anjara lehibe amin’ny raharaham-pirenena, politika, toekarena,... Lojika ary rariny, eny tena adidin’ny Fiangonana noho izany ny milaza ny tsy mety, manatsikafona ireo tsy fanjariana mba hanintsiana ny zavatra tsy mety eto amin’ny Firenena. Maro ireo fehin-kevitra sy fanairana nataon’ny Fiangonana, tao ny nandeha manokana tamin’ny alalan’ireo Filoham-piangonana, tao ny niraisana toy ny an’ny FFKM, nisy ny tamin’ny alalan’ireo rafitra eo anivon’ny Fiangonana. Ny volana oktobra 2024 teo ohatra, nahitsy ny Vaomieran’ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana na « Justice et paix » nilaza fa tena marary ny Firenena, potika ny maha olona. Nanatsikafona ireo tsy fetezana maro samihafa toy ny olana ara-tsosialy mianjady amin'ny vahoaka Malagasy toy ny jiro, rano, fiakaran'ny vidim-piainana., fanabeazana potika,.. Mbola nohamafisin’ny Fivondronamben’ny Eveka ny 15 novambra 2024 hoe : sao dia mba misy voakarama hanasoaso fitondram-panjakàna fotsiny eto amin’ity firenena ity no mbola misy sahy milaza ihany hoe mandroso isika amin’izao fotoana izao. Ny FFKM namoaka fanambarana nandritra ny Komity Foibe faha-46 tany Morondava ny volana desambra 2024, izay nahitsy nilaza fa mahantra sy ampahantraina ny vahoaka Malagasy. Namafisin’ny FFKM fa maro ny fitarainana noho ny fisian'ny kolikoly mihoapampana amin'ny sehatra maro. Mahakasika ny fiharian-karena sy ny asa ary ny sosialim-bahoaka, nanamafy fa mampitaraina ny maro ankehitriny, satria miantraika amin'ny fiainana andavanandro sy ny tontolon'ny fihariana, ny fahatapahan'ny jiro sy rano lavareny,…
MBA MIHAINO SY MANAJA NY FIANGONANA VE NY MPITONDRA ?
Tena mandray ireny ho amin-kitsim-po ve ny fitondram-panjakana ankehitriny sa mandray ireo Raiamandreny am-panahy sasany ho fahavalo politika ? Raha tena mihaino sy manaja ny lalan-tsain’ny fiangonana raha tsy hilaza afatsy ny fahamarinana ve ny mpitondra sy ny mpanao politika ary ny vahoaka ho tahaka izao ny Firenena ? Mbola raisina ho arofanin’ny Firenena sy ny mpitondra ve ny Fiangonana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap
14-janv-2025

Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy

Card image cap