ankehitriny. Rehefa tsy fanambaràna iombonana io dia fanehoan-kevitra manokana an-tambazotran-tserasera, amin’ny ankapobeny, ary entina ilazàna fa efa manao ny ezaka rehetra izao fitondràna izao amin’ny fitadiavana vahaolana sy hampandrosoana an’ity firenena ity saingy tsy mora izany. 30 taona, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, izany Rwanda izany no niharitra vao tonga amin’io toerana misy azy io. Izany tetezamita 2009 izany, hoy ny fanazavany, dia niarahan’ny rehetra ary fizaràna seza no tena nibahana. Nisy nanasa ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany fotoana izany, Andry Nirina Rajoelina, hoe mandehana haongano ny fitondràna nijoro tamin’ireny fotoana ireny angaha moa? Fa hetsika notarihin’iza moa izany no niteraka ireny alatsinainy mainty ny 26 janoary 2009, izay niteraka fahaverezan’asa ho an’olona an’alin-kisa sy fahamaizana orinasa maro teto Antananarivo renivohitra ireny? Hetsika notarihin’iza no nampitroatra olona hiakatra teny amin’ny faritra mena teny Ambohitsirohitra? Taiza teto ambonin’ny tany no nisy fanonganam-panjakàna tsy niteraka krizy? Iza moa no nitarika ilay tetezamita 2009, tsy ny filoham-pirenena ankehitriny ihany ve? Iza no nanendry ny praiminisitra? Olon’iza avy eo no lany filoham-pirenena ny taona 2013 ary iza no nahazo fahefana amin’ny maha filohan’ny repoblika amin’izay ny taona 2018 no sady nampanantena fa fampandrosoana tsy vita tao anatin’ny 60 taona ho vitany anatin’ny 5 taona? Iaraha-mahita io izany ny zava-mitranga anefa. Miteny ny tarehimarika isan-karazany na avy amin’ny sehatra iraisampirenena toy ny FMI sy ny banky iraisampirenena io na avy amin’ny tambazotra tantanana firenen-dehibe toa an’ilay soisa Watson fa faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany izany izao ilay Madagasikara. Fampahantrana tsy mbola vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona no vitan’ny fitondràna ankehitriny tao anatin’ny 5 taona. Fitondràna efa hita fa tsy mahomby fa variana manilika ny hadisoana amin’ny hafa hatreto no misongadina. Azo ny maro an’isa tao amin’ny antenimiera roa tonta. Azo ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo sy ny fitantanana ny ankamaroan’ny kaominina manerana ny nosy saingy miantona mihanahana io ny teleferika. Manahirana ny fitantanana ny fako aty an-drenivohitra ary mijanona ho renivohitra maloto indrindra eto an-tany koa hatreto i Antananarivo. Tsy hita ny Tanamasoandro. Tsy hita ny Fly Over. Potika ny lalam-pirenena maro manerana ny nosy. Miondrana fahatany ny harem-pirenena. Ny tetikasa Miami, izay niaraha-nahita tany anaty propagandy izao fa ho fanamboarana ny torapasik’i Toamasina hitovy amin’ilay Miami any Etazonia aza moa notsotsorina tamina toera-mahasarika tsotsotra nantsoina hoe Miray hina sy mifankatia. Azo antenaina mbola handroso amin’izany fomba fitantanana rehetra izany ve ity firenena ity?
J. Mirija
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy
Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha
Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.