airtel

Politique

13-août-2024

Fitondrana mikatso

Mamofompofona fisokafana Tsikaritra ho miantso fisokafana na «ouverture» avokoa tao ho ao ny herivelona

Sample post image

rehetra misy eto amin’ny firenena, na politika io na sendikalista na sehatra maro samihafa,

13-août-2024

raha ny mikasika ny tokony ho firafitry ny governemanta Ntsay Christian tena saro-piterahana ambonin’ny saro-piterahana ity no resahina. Mamofompofona fisokafana tokoa ity fitondrana mikatso, araka ny fijery azy ivelany ity, raha ny taratr’ireo mpamakafaka sy herivelona maro nambara teo aloha. Ny fanoherana moa ireny nanangam-bovona ny faran’ny herinandro teo fa tsy misy ho antenain’izy ireo amin’izao fitondrana izao. Hanafaingana tolona isika, hoy izy ireo. Handrombaka fahefana, hoy ny sasany. Tsy hiditra ao anatin’ny governemanta vaovao indray ve izany ny fanoherana? Efa maro rahateo koa izao ny masona mpanara-baovao mijery hoe iza no hilingilingy hianika ny seza atolotr’izao fitondrana izao azy voalohany eo? Ho afa-baraka avy hatrany sy ho ataon’ny olompirenena tsakin’adihevitra any anaty tambazotran-tserasera indray raha toa ka hisy tsinona izany. Mazava ho azy fa tsy maintsy ahita fanazavana indray mikasika ny antony nidirana tao anatin’izany, tahaka izay niseho tamin’ny fotoana nandaniana 100% ny filohan’ny antenimieram-pirenena Tokely Justin ihany moa saingy tsy maintsy ho tantara hipetraka izany rehetra izany. Mandra-piandry aloha, dia mitombina foana hatreto ny fanontaniana napetraky ry zareo sendikalista izay hoe dia tena sarotra be tokoa ve izany ny mitady olona miisa 30 fara-faha betsany ho atao mandrafitra izany antsoina hoe governemanta malagasy izany? Samy miandry ny rehetra hoe ahoana no hamalian’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra izany fanontaniana toa tsotra nefa manahirana ny sain-drizareo izany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap