airtel

Politique

10-oct-2024

Fitondrana mpampiesona…

Hitondra vahaolan’ny jiro sy rano hono ny Filoha anio !

Sample post image

Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo

10-oct-2024

olan'ny jiro sy rano eto Madagasikara, araka ny serasera sy ny kabary omaly. « Rahampitso dia rahampitso ihany ny tenako dia hitondra vahaolana ho an'Antananarivo renivohitra. Tsy iandrasana herinandro na amam-bolana na aman-taonany ny famahana io olana io", hoy i Andry Rajoelina omaly maraina nandritra ny lanonana fanolorana "scanner" sy fampitaovana ny CHU Andohatapenaka. Tamin’ny herinandro lasa no efa nanao serasera mikasika an’io, ka nandeha ny filazana fa tsy maintsy haparitaka eran’Antananarivo ny « bonbonnes », ary hisy ilay fametrahana lavadrano, ho avy ny tetikasa Tana Water Free,… Mbola nanao horonan-tsary indray taorian’iny nilaza fa nampiantso ireo Minisitra misahana ny rano sy ny jiro niampy ny Tale Jeneralin’ny Jirama. Herinandro aty aoriana, tsy misy olana mivaha fa hatrany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato aza voalaza fa tsy misy rano madio ampiasaina ho an’ny fiaramanidina. Ny delestazy mahatratra 10 ora isan’andro raha kely izay tena mampijaly vahoaka,… Raha nanana vahaolana naninona no tsy natao hatrizay ? Moa nekena sa nolavina ny drafitra ara-panarenana ny Jirama indrindra fa ara-bola natolotry ny mpitantana ? Tsy vao tamin’ny herinandro na omaly no nilazana fa mamaha olana, fa efa hatramin’ny taona 2012 no niresaka toby mpihary herinaratra mandeha amin’ny rivotra na « éolienne », ny aogositra 2018 no nanao vava be tao Mahamasina hoe : tsy misy intsony ve ny delestazy ? Nitohy tamin’ny fampanantenana poakaty nanenjehana ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 58 taona nolazaina fa tsy nahavita afatsy 400MW fa izy hanao 400MW anatin’ny 5 taona. Ny janoary 2022 nilaza indray fa mila miharitra kely 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Ny aogositra 2023 nilaza fa efa nomena toromarika ny minisitra ka 3 herinandro dia tsy hisy intsony ny delestazy,… Aty amin’ny septambra 2024 indray, ny praiminisitra milaza fa hanao 500MW ao anatin’ny 5 taona ny Fanjakana, ny filoha milaza fa 1000MW ao anatin’ny 4 taona, ka 250MW ao anatin’ny herintaona ary ho an’Antananarivo 100MW amin’io. Dia omaly milaza fa « rahampitso dia rahampitso » dia hitondra vahaolana,… Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, fa efa betsaka izay resaka sy serasera natao izay, hany ka tsy famahana ny olana no ataon’ny Fanajakana, fa politikan’ny kiserasera sy fanadalana saim-bahoaka, kiresadresaka, kivorivory, kifandaharana, fampanantenana,… Lasa tsy mino intsony olona ka sao mba rehefa misy asa mivaingana vita sy hita taratra amin’ny vahoaka ny fiantraikany vao be resaka satria tsy i Andry Rajoelina miteny sy « mitatasika » amin’ny haino aman-jery intsony no ilain’ny Malagasy fa jiro sy rano mandeha ankoatra ny famahana ny olam-bahoaka samihafa !
Toky R


 

Dans la même rubrique

10-oct-2024

Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.

Card image cap
10-oct-2024

Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,

Card image cap
10-oct-2024

Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny

Card image cap
10-oct-2024

Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto

Card image cap
09-oct-2024

Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy

Card image cap
09-oct-2024

Mba misy ihany eto Madagasikara ny olona manam-pahaizana, manam-pahalalana,

Card image cap