airtel

Politique

12-août-2024

Fitondrana petatoko, firenena anaty hamehana

4 volana banga ny minisitra, 1 volana tsy misy governemanta…

Sample post image

Tsy mbola tafatsangana ny herinandro teo ny governemanta na nisy aza ny fanolorana ny Programa

12-août-2024

ankampoben’ny Fanjakana na ny PGE, izay efa adihevitra be ny programam-panatanterahana na ny PMO izay tokony ho nolanian’ny governemanta ara-dalàna. Mbola nisafidy ny hamela ny governemanta ho banga ny Filoha, fa naleony nakany Rwanda, tahaka ny efa nataony tamin’ny faramparan’ny volana jolay niazo an’i Lafrantsa sy Afrika Andrefana. Andaniny, efa iray volana sy roa andro anio no nametra-pialana ny governemanta, ary iray volana katroka anio no nanendrena ny Praiminisitra izay hany tokana ara-dalàna. Efa tany amin’ny 17 aprily 2024 ihany koa aza no banga ny toeran’ny Minisitra miisa 7 satria natao kandida solombavambahoaka, ka nosarontsaronana tamin’ny minisitra mpisolo toerana efa nametra-pialana. Tao anatin’ny 4 volana izany no efa tsy tomombana intsony ny governemanta, saingy tsy maharototra firy an’ilay Filoha sy ny Praiminisitra.
HAMEHANA ARA-DRAFITRA, ARA-BOLA, ARA-POLITIKA, ARA-TSOSIALY,…
Miharihary fa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny fitantanana Firenena, ary tena mandringa tanteraka ny andrim-panjakana misy eto amin’ny tanin’ny Repoblika Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny hamehana ara-pitantanana, ara-politika, ara-toekerana, ara-bola i Madagasikara. Iny efa nambaran’ny Filankevi-panjakana io fa tafiditra ao anatin’ny tranga tsy azo hanoharana mikasika ny fifidianana ny tsy mbola fitsanganan’ny governemanta, izay manamafy fa governemanta tsy ara-dalàna sy tsy mahatapak’ahitra izany no misy eto, saingy mbola nahavita nampanao sonia mamatotra ny Firenena an’ireo Minisitra tsy ara-dalàna nandritra ny dia tany Angola. Tafiditra tanteraka ao anaty hamehana ara-pitantanana sy ara-drafitra satria ny governemanta tsy tafatsangana ka asa hoe : tsy manana olona ve ilay fitondrana sa henjana ny tsindry samihafa ? Misy amin’ireo Minisiteran’ny Fiandrianam-pirenena aza no banga ny toerana, dia ny eo anivon’ny atitany. Hametraka Sekretariam-panjakana 11 eo ambany fitarihan’ny filoham-pirenena nambara hanafainganana ny asa fampandrosoana no noventesina kinanjo iray no tafapetraka, ary ny governemanta aza banga tsy nampiana solony, efa nametra-pialana fa tsy mety voatendry ara-dalàna ny mpikambana vaovao. Tratry ny hamehana ara-bola satria ny tetibolam-panjakana 2024 nokantsanana 3400 miliara Ar eo, mbola mandeha ny tsindry samihafan’ny Banky Iraisam-pirenena toy ny vidin-tsolika tsy maintsy hakarina, ny fepetra mikasika ny Jirama,…
VAHAOLANA «PARACETAMOL »…
Ny hamehana ara-tsosialy sy ara-toekerana mihamafy, ka sarontsaronana amin’ny fanohanana fitseran’ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny alalan’ilay vola 250 000Ar ho an’ny tokantrano 8 hetsy eo, izay tsy dia antenaina firy hitondra vahaolana fa tena vahaolana « paracétamol » manala fanaintainana andro vitsy, fa tsy tena manaisotra ny aretin’ny Firenena. Efa nisy ny Vatsin’ankohonana, Vatsy Tsinjo, Tosika Fameno,… fa tena nampihena ny fahantrana ve ? Io anefa no ireharehan’ny mpitondra ho fanampiany ny Malagasy. Tsy misy politikam-panarenana ara-toekerana mazava, tsy misy famoronana harena, fa milalao saim-bahoaka amin’ny vina manidintsidina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap