airtel

Politique

02-janv-2025

Fitondrana RAJOELINA

« Champion » amin’ny fampahantrana firenena

Sample post image

Raha kabary sy fampanantenana aloha no atao maridrefy dia tena "champion" na tompon-daka

02-janv-2025

tokoa ny fitondrana Rajoelina. Saingy resaka ka atao fa tsy nitondra na inona na inona ho an’ny vahoaka malagasy sy ny firenena aloha hatreto ireo karazana marim-pankasitrahana azon’i Andry Rajoelina. Resaka izay natao tao anatin’ny 5 taona izay , hoe tsy hanana havana ny fampandrosoana ny firenena, tsy misy indrafo na zéro tolérance izay tratra manao kolikoly. Fa dia mitohy ihany ireo afera hafahafa, teha mitombina ilay famakafana nentina teto herintaona lasa izay hoe : « tsy ny fanovaovana minisitra no mampandroso fa ny fananana fandaharanasa matotra ». Tena « champion » amin’ny fanovaovana mpikambana ao amin’ny governemanta raha ny eto Madagasikara.
FANDAHARANASA INONA MARINA ?
Hatreto dia manjavozavo ny tena fandaharanasan’ity fitodrana Rajoelina ity, mbola ilay IEM ve sa inona. Ahoana marina no niafaran’lay fanambaran’ingahy filoha hoe ajanona mihitsy aloha ireo fanorenana fotodrafitrasa goavana fa ifantoka bebe kokoa amin’ny sosialy ny fanjakana. Toa vao miha mafy ny fiainana, miaina olana sosialy henjana ny tokantrano maro manerana ny nosy, mbola tena ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Tao anatin’ny 3 taona dia misy nitombo hatrany amin’ny 100% ny vidin’entana. Tsy mba tahaka izany anefa ny vola miditra sy ny karama. Tena « champion » amin’ny fiakaran’ny vidin’entana raha ny eto Madagasikara.
MARARY NY FANABEAZANA
Firifiry ireo ankizy tazana mirenireny eny rehetra eny amin’ny vanim-potoana fianarana, hay efa tsy mandia sekoly intsony fa tsy manam-bola ividianana fitaovam-pianarana, atao saran-dalana ireo ray aman-dreny ary tena ilaina miasa manampy ny fampidiram-bola ao an-trano ireo aza, mbola tsy ampy taona.Tena « champion » amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona ny eto Madagasikara.
TETIKASA TENA MAIKA TOKOA VE ?
Tsaroana fa tao anatinny valan’aretina COVID 19 no hoe hanangana ozinina mpanamboatra fanafody, hanangana ozinina mpanamboatra fiara sy moto, hanamboatra autoroute i Madagasikara. Dia tonga koa ny teleferika, ny train urbain, asa moa hoe manakory izay ilay tanàna vaovao antsoina hoe Tanamasoandro eny Tsimabehomby Imerintsiatosika nanaovana serasera be sy ilay hoe hanangana monument goavana na lakroa na aloalo eo amin’io toerana io.Nangiana. Tena « champion » amin’ny fanaovana tetikasa govana, avy eo mihitsoka raha i Madagasikara.
DEDAKA
Ny malaza izao manomboka amin’ity taona ity dia hoe ho filoha mpitantana ny vondrona Sadc i Madagasikara, ity ilay nanaovan’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy vava be fony izy filohan’ny tetezamita. Tonga hatramin’ny hoe aleo isika miala ao amin ;ny SADC fa toa mifanadala fotsiny. Ankehitriny dedaka ny filoha Malagasy fa dia hoe i Madagaskara no hitarika ny fandaminana sy ny fametrahana ny fandriampahalemana ao anatin’ny vondrona SADC. I Madagasikara anefa no firenena faran'ny sahirana indrindra ao ; dia asa hoe inona izany ilay atao. Tena « champion » amin’ny fahadedahana raha ny mpitondra eto Madagasikara.
MIHA MAHANTRA NY MALAGASY
Resaka ka atao fa ny hita aloha dia miha mahantra ny tokantrano, iha mahantra ny malagasy, miha mahantra ny firenena malagasy izay manana harena be ao aminy anefa. Angamba tsy iadian-kevitra ela be fa dia tsy fahaiza-mitantana no antony, tsy fahaizana misafidy ireo tena laharampahamehana, variana amin’ny endrika ivelany, lany andro misehoseho sy mamorona zavatra hampisongadinana tena vetivety. Tsy ady an-trano misy eto, tsy loza voajanahary goavana. Ny tsy fahaizan’ny mpitondra mitantana no tena antony voalohany mampahantra ny firenena.
RTT 

Dans la même rubrique

02-janv-2025

Nirary soa ny mpiray tanindrazana amin'izao taona vaovao 2025 izao i Tahina Razafinjoelina ,filoha nasionalin'ny Tia Tanindrazana,

Card image cap
02-janv-2025

Madagasikara no mandroso raha mandry fahizay ny tany, hoy i Zaza Ramandimbiarison raha naneho hevitra sy nizara ny fomba

Card image cap
02-janv-2025

Tsy mbola nisy fifidianana nandeha amin’izay laoniny fa dia fifidianana tsy tomombana hatrany aloha izany no

Card image cap
30-déc-2024

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

Card image cap
30-déc-2024

Azo ambara hoe feno izany izay ny ankamaroan’ny an-tanan-tohatra ilàna fifidianana,

Card image cap