airtel

Politique

03-sept-2024

FITONDRANA RAJOELINA

Izay vao tonga saina hoe mila miasa vao mandroso

Sample post image

Mety tsy tsikaritry ny maro ny resaka sy famelabelaran-kevitra nataon'ny filoha Andry Rajoelina ny 23 aogositra 2024

03-sept-2024

teny Iavoloha, taorian'ny fijoroan'ilay governemanta saro-piterahana kanefa tsara ho fantatra ihany.
PETRAK'OLANA
Noresahany teo ny maha zava-dehibe ny maha olona amin'ny fampandrosoana ny firenena ka tafiditra ao anatin'izany ny fanomezan-danja ny fanabeazana, fahasalamana, sosialy, fanajana ny zon'olombelona. Nasiany tsindrim-peo manokana ihany koa ny mahakasika ny fiovam-penitry ny toekarena amin'ny alalan'ny indostria ka tsy maintsy asa ezahana mafy ao anatin'izany ny fananganana indostria hanodinana ireo vokatra misy eto an-toerana , ny fanofanana arak'asa ary ny famoronana asa. Hoy i Andry Rajoelina, nataony tamin'ny fiteny frantsay : " chaque citoyen doit être utile au sein de sa famille, au sein de la communauté, au sein du pays" Izany hoe mila miasa, manana zavatra atao ivelomany ny isam-batan'olona mba tsy ho vesatra ho an'ny fiarahamonina ary hitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana ny firenena. Rehefa mahantra ny olona, mahantra ny fianakaviana, mahantra ny firenena, hoy i Andry Rajoelina.
MORAMORA
Marina izany rehetra izany fa ny mahagaga kely fotsiny dia ny hoe fa naninona no notezaina tamina fomba ratsy omena maimaimpoana sy ny kolontsain'ny moramora raisina ny vahoaka ? Zarazaraina fanomezana isaky ny mihetsika, ka iny no mamolavola tsikelikely ny sainy mba hiandry hotolorana foana. 15 taona aty aorian'ny nandraisany voalohany ny fahefana ve vao tonga saina sy miseho ho manome lesona i Andry Rajoelina hoe mila miasa izay vao mandroso ?
MIALA BALA
Fa ity no tena nanaitra hoe soa dia efa very tadidy aza i Prezda Rajoelina fa dia variana miteny fotsiny. Hoy mantsy ny fanazavany manoloana ny olana amin'ny famatsian-dranon'ny Jirama : tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany no napetraka ny fantsona, tsy nisy nanamboatra tsy nisy fanavaozana efa no orinasa eau et éléctricité de Madagascar no nanao izany. Fa izy nitantana ny tetezamita (2009-2014) be tsy nahalala an'izany. Mbola niverina teo amin'ny fahefana izy ny faona 2019 nahavita 5 taona. Ka nahoana no tsy nanezaka mafy nanamboatra fa aty amin'ny 2024 vao mitanisa ny zava-nisy talohan'ny 1960 ? Miala bala no dikan'izany ary manana ilay toetra tia manilika ny tay mety foana any amin'ny hafa. Tsy toetrana mpitantana mahira-tsaina mihitsy izany koa tsy mahagaga raha maizina ny ho avin'i Madagasikara.
RTT 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap