ho sarin'ny Filoham-pirenena nahazo amboara ny governemanta, dia manomboka mandeha kosa ankehitriny ny fifamelezana. Nivoaka tamin'ny fampahalalam-baovao iray ny herinandro teo ny hoe: minisitra 3 ratsy toerana. Voatonona tao anatin'io ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rtoa Rasata Rafaravavitafika, ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Gérard Andriamanohisoa, ary ny Minisitry ny fanatanjahantena Marson Moustapha Abdulah. Ara-teknika, vokatry ny tsy fahombiazana tamin'ny fifidianana izay ho Filohan'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikanina azo adika ho tsy fahombiazan'ny diplaomasia Malagasy kanefa ny Filoham-pirenena tenany izay lazaina fa voafidy ho mpitarika mendrika indrindra aty Afrika no nirotsaka nanao propagandy kanefa gidany ny kandida no heverina fa miteraka fihozongozonana ho an'ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Ny resaka Kianja Barea tsy mahazo fankatoavana kanefa nandaniana vola tsy toko tsy forohana kosa ho an'ireo minisitra roa hafa. Mandeha amin'izay ny ady ara-tserasera entina manarina ny tsy fahombiazana. Raha any ivelany, efa nandeha ny fametraham-pialana, ny eto kosa famonoana afo sy fanamarinan-tena. Isan'ny voizina mafy izao ankehitriny ny hoe: nanao ezaka ny Minisitry ny fanatanjahantena ka hanolotra teknisianina hanampy amin'ny fanatsarana ny bozaka ao Mahamasina ny CAF. Zava-dehibe izany fa ny tena notadiavin'ny vahoaka dia ny fahafaha-milalaon'ny Barea ao Mahamasina satria stratejika be ny lalao farany hifanandrinana amin'i Ghana. Ho an'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, efa ela no tsy marin-toerana ny Minisitera tantaniny sy ny diplaomasia Malagasy, ary izy aza efa fanimbambalony tato anatin'ny 6 taona. Anisan'ny Minisiteran'ny fiandrianam-pirenena anefa io, ka tsy mahagaga raha izao no mitranga. Marina fa mandeha ny famakafana mikasika ireo minisitra noho ny zava-misy, saingy manomboka mivoaka ihany koa ny resaka, fa avy any an-dapa no ahiana ho manome toromarika amin'ny hipehana ireo lazaina fa tsy mahomby. Raha tarafina amin’ny zava-misy, minisitra 3 ihany ve no tsy mahomby sy ratsy toerana sa ny governemanta iray manontolo ? Miha kofona tanteraka ny Fitondrana ka mety hisy indray ny hatao sorona na "fusible" hienti-manarontsarona ny toe-draharaha. Lazaina fa misy foana ny tomban'ezaka ho an'ny mpikamban'ny governemanta saingy tsy tena hita soritra mazava hoe: inona avy ilay tanjona dia inona no tratra sy tsy tratra.Iza no hanaovana tomban'ezaka ary iza no tsy hozongozonina na inona na inona tsy fahombiazana? Sasatry ny manova sy mikitika fa tsy hita izay vokatra ka sao ny any amin'ny lohany mihitsy no tsy mety sy mila miova na ny olom-boafidy io na olom-boatendry?
Toky R
Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,
Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,