fahalanian-dRajoelina ho filoha hanao taom-piasana faharoa, izay tao anatin’ny romoromo. Nambarany fa ny 16 novambra 2023 dia nisafidy azy ny vahoaka Malagasy hanohy ny asa fampandrosoana efa napetraka, nisafidy ny fandrosoana, nisafidy ny filaminana, fa tsy nanaiky hozarazaraina,… Nambara fa mibaiko ny lalàna aleha hampandrosoana ny vahoaka Malagasy, ary mazava ny lalana hodiavina ao anatin’ny taom-piasana faharoa. Tanjona voalohany ny fanenana ny fahantrana ny iainan’ny vahoaka Malagasy, faharoa ny fampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy, ka tsy maintsy tohizana ny asa efa natomboka, hatsaraina ny fomba fiasa, ary tsy maintsy hatao ny fomba rehetra hampamiratra an’i Madagasikara, hoy i Andry Rajoelina. Nolazaina ihany koa omaly, fa dia matoky mpamatsy vola, manome toky ny sehatra iraisam-pirenena. Noraisina ho porofo ny hoe : sambany 20 taona aty aoriana nidirantsika ao anatin’ny SADC dia nisafidy an’i Madagasikara amin’ny alalan’i Andry Rajoelina hitondra sy ho Filohan’izany amin’ny 2025. Nambara fa midika zavatra lehibe satria ny 2009 dia teto Madagasikara no nisy olana, ka nitadiavana vahaolana, ny Filohan’ny SADC tamin’izany no mitsara sy mitondra vahaolana, ka midika fa mizotra makany amin’ny làlana marin-toerana sy ny sehatra iraisam-pirenena isika, ka manomboka amin’ny taona ho avy dia nolazaina i Madagasikara indray no hitondra vahaolana fa tsy hitondra olana intsony fa hamaha ny olana aty amin’ny Vondrona SADC, antsika ny Sekretera Jeneralin’ny COI, isika no filoha lefitra any amin’ny ONU amin’ny fitarihana ny fivoriam-be, manana kandida ho Filohan’ny Kaomisionin’ny UA. Ny an-tratra tsy lavo dia antsoy ihany koa rainilahy be ! Izany ve no mampandroso na fampandrosoana andrasana ?
MANILIKA HATRANY ! AIZA ILAY NY FAHATONGAVANA EO NO ELA ?
«Tsotra ny zavatra lazaiko, ny mampamiratra ity firenena ity tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy, fa ezaka lavareny. Ny zavatra afaka lazaiko ankehitriny, dia tsapa, hitan’ireo Filoham-pirenena aty amin’ny Kaontinanta Afrikanina fa manana ny toerany i Madagasikara », hoy i Andry Rajoelina. Nolazaina fa hotohizana amin’ny ezaka hanafaka an’i Madagasikara ao anatin’ny aizina niainana tao anatin’ny taona maro. « Mahantra isika ankehitriny fa ny mpitondra ankehitriny ve no homena tsiny sa ny mpitondra nifandimby ? hoy i Andry Rajoelina izay efa miditra amin’ny 5 taona fahatelo nitondrana, saingy potika hatrany i Madagasikara rehefa izy no tonga teo. Nilaza fa tsy milavo lefona ary tsy maintsy hanova ny Firenena. Aiza ilay nolazaina tamin’ny 2018 fa ny fahatongavana eo no ela dia handroso ny Firenena, efa vonona ny famatsiam-bola, hatao ao anatin’ny 5 taona ny fampandrosoana tsy vita tao anatin’ny 60 taona no aty amin’ny 2024 milaza indray fa tsy vita vetivety? Dia manao ahoana ny fiainam-bahoaka ankehitriny ? Niha nandroso sa vao mainka nihemotra i Madagasikara ? Asa aiza ho aiza ilay hoe : tsy mila famatsiam-bola avy any ivelany, ary tsy handroso mihitsy i Madagasikara na amin’ny 2060 aza raha mbola ireo mpamatsy vola mahazatra ireo ?
MIAINGA AMIN’NY AOTRA HATRANY!
Mila manatsara ny fomba fiasa, mila miompana sy mitodika tanteraka amin’ny filàna andavanandron’ny vahoaka, mametraka ny fanjakana tsara tantana, hoy ny Filoha. Nolazaina fa nandroso drafitra mazava sy paikady ireo Minisitra, izay nomena toromarika fa tsy ho minisitra na olona hotendrena no tadiavina, fa olona afaka hanova ny Firenena. « Eo vao manomboka ny asa, eto vao hijery isika ny fomba rehetra hanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana rehetra sy hanovana an’i Madagasikara », hoy i Andry Rajoelina. Dia inona izany no natao tao anatin’ny 6 taona ? Mbola misy azo antenaina ve sa ny manova no mety ?
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
tafa, niavaka, tsy fahita firy, vina sy faharesen-dahatra, hita hoe mila fanovanatokoa ny olona. Maro be no tonga kanefa tsy nisy nosandaina
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka