airtel

Politique

09-sept-2024

FITSARANA ANOSY

206 ny fangatahana « casier judiciaire » efa voarainy

Sample post image

Nahatratra 206 isa ny fangatahana casier judiciaire efa voarain’ny Fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy

09-sept-2024

hatramin’ny Sabotsy 07 Septambra lasa teo. Ho an’ireo kandida hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanana ny ankamaroan’izy ireo, antony tsy maintsy hisokafan’izy ireo ny andron’ny Sabotsy sy Alahady hanaovana fiandrasan-draharaha. Ao anatin’ny fanomanana ny antontan-taratasiny tanteraka mantsy ireo kandida Ben’ny tanana tsirairay avy amin’izao ka tafiditra ao anatin’ireny ny fakana ny certificat de nasionalite sy ny casier judiciaire eo anivon’ity Fitsarana ambaratonga voalohany ity. Misokatra manomboka amin’ny 08 ora maraina ka hatramin’ny 04 ora hariva izy ireo noho izany rehefa Sabotsy sy Alahady, raha araka ny fanazavan-dRakotoniaina Narindra, lehiben’ny TPI etsy Anosy. Tsiahivina moa fa efa nanomboka ny 05 Septambra lasa teo ka hatramin’ny 19 Septambra ho avy izao ny fametrahana ny taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo kandida Ben’ny tanana rehetra manerana ny Nosy, eny anivon’ny OVEC tokony hanaterana izany tsirairay avy.
Pati
Legende : Misokatra hatrany ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Anosy na dia ny andron’ny Sabotsy sy Alahady aza !

 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap
16-sept-2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Card image cap
16-sept-2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

Card image cap
16-sept-2024

Mihamafy ny fifandirana eo amin’ny fitondrana Rajoelina sy ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana.

Card image cap
16-sept-2024

Nilatsaka ny didy ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Dzavojozara Jean Luc.

Card image cap