airtel

Politique

16-juil-2024

Fitsinjaram-pahefana,

fampandrosoana isam-paritra Nijanona ho resaka ambony latabatra fotsiny hatreto

Sample post image

Tsy tokony atao mahagaga raha mihisatra ny fampandrosoana an’i Madagasikara

16-juil-2024

ary voasokajy ho anisan’ireo firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany ny firenena Malagasy. Tena maivana be ny fampandrosoana isam-paritra, nijanona ho anarana sy voambolana fotsiny ny hoe fitsinjaram-pahefana fa tsy nisy fampiharana tena nahitam-bokatsoa isam-paritra sy isaky ny kaominina nipaka isan-tokantrano hatramin’izao aloha.
TSY MISY 0,5% AKORY
Miteny ny tarehimarika notsongaina tao amin’ny gazety boky « POLITIKA » laharana faha-36 (martsa-aprily 2024) , vokarin’ny Friedrich Ebert Stiftung. Tena mbola mivangongo eo amin’ny fitondra foibe ( prezidansa, primatiora, minisitera isan-tsokajiny) ny fahefana, fitaovana ary indrindra fa ny vola.Tato anatin’ny 7 taona nisesy dia tsy nihoatra ny 0,5% n’ny tetibolam-panjakana isan-taona akory ny tohana ara-bola nomena ireo kaominina manerana ny Nosy. Ho an’ny taona 2018 dia 0,007% n’ny tetibolam-panjakana no « subvention » natokana ho an’ireo kaominina. Ny taona 2019 (0,008%). 2020 (0,006%). 2021 (0,011%) ary ho an’ity taona 2024 ity dia tena ambany dia ambany satria tsy misy afa-tsy 0,005%. Izay toa manaporofo fa tena sahirana ara-bola marina ny fanjakana.
EFA LASA LAVITRA IREO FIRENENA AFRIKANA
Raha mijery ny tahan’io tohana ho an’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana io any amina firenena Afrikana sasany anefa dia hita fa efa tena lasa lavitra ry zareo. Ho an’i Zimbabwe izao ohatra (8,60% n’ny tetibolam-panjakana no natokany hanampiana ny kaominina). Ghana (10%).Nigeria sy Ethiopie (15%).Tanzanie(19,20%). Afrika Atsimo(19,30%). 7,30% ny salan’isa ho an’ny kaontinanta Afrikana, dia tena mbola lavitra be arak’izany ny 0,007% an’i Madagasikara.
HO SAHY HANOVA VE ?
Io fanomezana vola, fitaovana, fahaizana amam-pahalalana, tekinika io anefa no lalan-tokana hampandrosoana ny isam-paritra dia izay mitambatra no mampahazo aina ny famokarana,ny fiainana isan-tokantrano dia miha salama ho azy ny toekarena dia aizay ilay lazaina hoe mandroso ny firenena. Fa raha mbola fihinin’ny fitondrana foibe ny 95% n’ny vola dia resaka fotsiny ny hoe fitsinjaram-pahefana mampandroso. Fanontaniana mipetra ary ny hoe : moa va tsapan’ireo solombavambahoaka ity fitsinjaram-pahefana sampona atao eto Madagasikara ity, ary ho sahy ve ny solombavambahoaka hanitsy na hanovana lalàna momba ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ka tena hampahomby tokoa ny fampandrosoana isam-paritra ?
RTT

 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap