airtel

Politique

30-août-2023

Fitsipahana zom-pirenen-dRajoelina

Hiroso amin’ny dingana lalindalina ny MMM

Sample post image

Tsy tokony hisy intsony ny “certificat de nationalité” na fanamarinana zom-pirenena malagasy ho avokan’ny fitsarana ho an’ny filoha Andry Rajoelina,

30-août-2023

hoy ny teo anivon’ny antoko politika Malagasy Miara Miainga na MMM omaly, noho ny tsy fizakany intsony ny zom-pirenena malagasy. Nametraka taratasy fampahafantarana teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany eny Anosy ny avy eo anivon’ity antoko ity momba ny fisian’ilay didim-panjakana izay milaza fa mizaka ny zom-pirenena frantsay ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ka tsy tokony hisitraka intsony ny “certificat de nationalité” malagasy. Fampahafantarana teny amin’ny fitsarana izay nataon’ny antoko ho fanairana ny sampam-pitsarana mba hampihatra araka ny tokony ho izy ny lalàna velona sy manankery. Isan’ny dingana ihany io omaly nataon’ny antoko io, raha ny fanazavana hatrany, fa mbola hiroso amin’ny dingana lalindalina kokoa izy ireo mahakasika ny fitsipahana ity mbola fanomezana zom-pirenena malagasy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap