airtel

Politique

06-sept-2024

Fivoahana tsy mamokatr’i Rajoelina

Am-polony mahery nanomboka ny desambra 2023

Sample post image

Nanomboka ny desambra 2023 nialohan’ny nandraisany fahefana, am-polony ny fivoahan’ny filoha Rajoelina tany ivelany.

06-sept-2024

Tena miasa sa mitsoaka olana sy mitsangatsangana? Tena mitondra vokatra sa valam-panjakana atao fafy katrana ? Ny tany amin’ny tany arabo fotsiny no efa. Tany Seoul Korea Atsimo ny volana jona niatrika ny fihaonana an-tampony Corée-Afrique. Nakany Lafrantsa nanatrika ny lanonam-panokafana ny lalao olaimpika sy nihaona tamin’ny Filoha Frantsay izay nanaovana serasera nipoapoaka toy ny fiaraha-miasa amin’ny lafiny ara-angovo. Nitety firenena maro taty Afrika tahaka ny tatsy Comores niatrika ny fihanianan’ny Filoha Kaomorianina. Niazo an’i Zimbabwe, Angola, Rwanda,… vao tsy ampy iray volana niresahana fiaraha-miasa, fifanarahana marolafy ara-diplaomatika, toekarena, angovo,… Io indray fa lasa any Chine miatrika ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasan’i Chine sy Afrika na ny FOCAC andiany faha-9. Mandeha hatrany ny fitanisana fiaraha-miasa, fampandrosoana,… fa ny vokatra tsy tena hita mivaingana. Any Chine, avoitran’ny mpitondra ny hisian’ny fiaraha-miasa maro toy ny fambolena izay niresahana fampiasam-bola be amina miliara dolara mihitsy. Tanisaina ny tontolon’ny varotra, indostria, fampiasam-bola, fivoarana, teknolojia vaovao, fizahantany, harena an-kibon’ny tany, jono, toekarena manga,…
POLITIKA MIVOAKA-MIDITRA
Ny taona 2018, nolazaina tsy handroso mihitsy isika na amin’ny 2060 aza raha mbola hiankin-doha amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, kanefa ankehitriny miezaka manao serasera etsy sy eroa fa mahatoky ny mpamatsy vola, mahatoky ny mpiara-miombon’antoka,… Tena tsy afa-miodina ny Firenena raha tsy misy famatsiam-bola avy any ivelany, eny fa ny fanampiana fitserana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena no hireharehana ho fitsinjovana ny sosialim-bahoaka, tsy maintsy manaraka antsakany sy andavany amin’ny fepetran’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI satria tsy misy vola ka ny vahoaka no ampiafiana,… Tsy mety marin-toerana ny diplaomasia, tsy tena manome fahafaham-po ny mpamatsy vola mahazatra, ka mitady hirika etsy sy eroa. Rehefa mangatsiatsiaka amin’ny Tandrefana dia io mitady làlana mafy amin’ny sinoa sy ny arabo io, izay tsy dia be fepetra.
TSY MISY NY FAHAGAGANA
Fandre matetika ny fisiana « business forum » hiantsoana ny mpampiasa vola handraharaha sy hampiasa ny volany eto isak’izay mivoaka any ivelany, fa tsy tena misy fivoarana azo tsapain-tanana aloha. Mipetraka any amin’ny rambondrambony eo amin’ny filaharan’ny firenena amin’ny fahavitrihan’ny mpampiasa vola na « Doing Business » satria any amin’ny faha-161 amin’ny Firenena 190 i Madagasikara noho ny tsy fisian’ny Fanjakana tan-dalàna sy tsara tantana, ny kolikoly mikiky ny sehatra maro, tsy fahamarinan-toerana politika, ny tontolon’ny angovo sy herinaratra,... Na hivoaka isan-kerinandro any ivelany aza ny Filoham-pirenena, rehefa tsy misy ny finiavana politika sy fahaiza-mitantana dia ny eo ihany no ho eo, fa tsy misy fahagagana io.
Toky R
.
 

Dans la même rubrique

16-sept-2024

Tsy hita izay ambara fa sady tezitra no nalahelo ireo kandida mpanolotsain'ny tanàna sendran'ny don-tandroka

Card image cap
16-sept-2024

Nafana ny fihaonana teo amin’ny vahoakan’Ambohimanarina sy ny depiote Todisoa Andriamampandry

Card image cap
16-sept-2024

Tsy misy izay tsy mikaikaika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fifidianana

Card image cap
16-sept-2024

Mafana ny toe-draharaha ara-pifidianana amin’izao telo andro tsy hifanaranan’ny fe-potoana hitsaharan’ny fametrahana antontan-taratasy izao.

Card image cap
16-sept-2024

Mihamafy ny fifandirana eo amin’ny fitondrana Rajoelina sy ny vondron’ny mpanohitra tarihin’i Marc Ravalomanana.

Card image cap
16-sept-2024

Nilatsaka ny didy ho an’ny ben’ny tanànan’Antsiranana I Atoa Dzavojozara Jean Luc.

Card image cap