airtel

Politique

14-juin-2024

FLN sy Otrikafo

Nandray anjara tamin’ny fifidianana mba hanaporofoana ny fisian’ny hosoka

Sample post image

Nandray anjara tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tany Toliara II ny antoko politika Otrikafo,

14-juin-2024

izay niaraka tamin’ny antoko politika FLN na Front de libération national. Tsy mifanalavitra amin’ny ahiahy rehetra efa nolazaina tany aloha ny zava-nitranga, hoy ny fanazavan’izy ireo omaly. Nirosoanay ny fifidianana mba nahafahana nanaporofo fa marina ary mitombina ny heritreritra rehetra nialoha izany fifidianana izany. Tsy gaga amin’ny vokatra izahay satria efa fantatray dieny mialoha ny hitranga rehetra. Mba nialana kosa amin’ny hoe ianareo aza tsy niatrika fifidianana akory kanefa milaza izao sy izao dia natrehin’ny Otrikafo mihitsy ilay fifidianana mba hahafahana manaporofo fa tena nisy marina ilay izy ary tao anatiny marina sy nihatra taminy marina, na ilay hala-bato, fa indrindra, ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana ilay fifidianana tamin’iny fotoana iny satria raha ny ampahany kely fotsiny no ambara eto dia isan’izany ny hoe tamin’ny 2 ora tolakandro vao nisokatra ny ankamaroan’ny biraom-pifidianana tany amin’io toerana io ary dia mazava ho azy fa noho ny halaviran-toerana dia mety ho olona miisa 14 na 20 no tonga nifidy tanaty biraom-pifidianana iray anefa aty Antananarivo avy eo vao fantatra hoe nisy fifidianana niodina tao amin’ilay biraom-pifidianana, hoy hatrany ny fanazavan’ireto antoko ireto, izay nanamafy fa nandray anjara tamin’ny fifidianana izy ireo mba hanaporofoana ny fisian’ny hosoka anatin’izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap