airtel

Politique

09-oct-2024

Front de libération national

«Tena lasa raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana»

Sample post image

Tsy niova ny fijerin’ny FLN na Front de libération national mikasika ny fifidianana eto Madagasikara

09-oct-2024

dia ny hoe tsy azo anaovana fifidianana madio, mangaraharaha, azon’ny rehetra andraisan’anjara ka hahatonga voka-pifidianana eken’ny rehetra io lalàna mifehy ny fifidianana eto ankehitriny io, hoy ny mpandrindra nasionaliny, Iada Jean Pierre. Ilaina, noho izany, hoy ity antoko politika ity ny mametraka ny antsoina hoe «code électorale» na sata mifehy fifidianana mba ho lasitra apetraka mahakasika ny lalàm-pifidianana fa raha tsy izany dia mamoaka lalàna araka izay itiavany azy toy izao ny mpanatanteraka na governemanta satria fantantsika fa ny zana-dalàna dia ny governemanta no manao azy. Ny lalàna no ataon’ny eny amin’ny antenimieram-pirenena. Zana-dalàna nefa no tena mifehy fifidianana dia ataony arak’izay itiavany azy. Ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny dia tsy manana kandida ny vahoaka. Mahantra tsinona ny vahoaka malagasy, izany hoe, tsy manam-bola. Miankina amin’ny vola nefa ny firotsahan-kofidiana. Izay milatsaka tsy maintsy manam-bola. Ny olona manam-bola no manana kandida fa tsy ny vahoaka malagasy na kandida manam-bola na olona manana fahefana sady manam-bola. Ireo ihany no manana kandida ankehitriny. Ireo karazany miisa 3 ireo ihany no mifaninana eo. Fomba isehoany fotsiny ny hoe mpanohana fitondrana sy mpanohitra na amin’ny alalan’ny tenany manokana fa ny zava-misy dia tena raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana eto Madagasikara. Rehefa tsy manam-bola dia lasa tsy afaka mirotsaka ho fidiana ilay olona. Lavitra be an’ny atao hoe demokrasia izany ary lavitra be an’ny atao hoe teny ierana ho atao eto amin’ny tany sy ny fanjakàna. Lavitra be an’ny fampandraisana anjara ny olona tena mahay, vonona sady manam-piniavana tsy miankina amin’ny vola amin’ilay firotsahan-kofidiana eto Madagasikara, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap