dia nanana finiavana hifidy izy satria fantantsika tsara fa an-tsitrapo ny fisoratana anaty lisi-pifidianana. Tokony ho 100% na 90% izany no olona alefa mifidy, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko ity, Iada Jean Pierre. Antony be dia be no mahatonga ny olona tsy hifidy rehefa tonga ny androm-pifidianana. Raha ny firesahana fa niakatra 48% ny tahan’ny mpifidy tamin’iny fifidianana iny dia tsy mahagaga izany satria aleo tsy hodiantsika tsy hita fa nisy ny fizarana ny atao hoe kara-tany ary teo koa ny fampirisihina ny olona nahazo izany hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Nisy koa ny fizarana kara-panondro na «opération kara-panondro» mihitsy, indrindra, ho an’ireo tanora vao herontrerony hisedra fifidianana. Isan’ny nanamaro isa ny olona nandeha nifidy ireny ary mazava ho azy fa fantantsika tsara fa noho ny tombontsoa tamin’ireny fahazoana kara-tany sy hetsika nataon’ny fitondram-panjakana ireny no nahatonga azy nazoto nifidy ary dia izay indrindra no nahatonga ilay tahan’ny mpifidy tonga amin’io 48% io. Raha ny fomba nitantanana iny fifidianana iny sy ny antony rehetra hafa kosa dia tsy tokony ho tonga amin’izany io taha io. Ny nahatonga ny olona tsy hifidy tamin’iny kosa dia noho izay tsy fahatomombanan’ny fitantanana fifidianana izay ka nahakivy ny ampahan’ny olona efa nanana ny finiavana nisoratra tanaty lisi-pifidianana. Ny fahitany fa ilay fifidianana dia tsy tena mitondra any amin’ny safidim-bahoaka marina sy ny nahatsapany fa misy tsindry manokana nataon’ny filohan’ny repoblika, izay nanana vondrona nandrotsaka olona nirotsaka tao anaty fifidianana, nefa ny filohan’ny repoblika dia filoham-panjakana, dia mazava ho azy izany fa dieny mbola tsy nifidy ireo olona tokony hifidy ny kandida hafa dia efa resy lahatra fa na hifidy aza izy dia tsy ho lany mihitsy ny olona ho fidiany satria ny fanjakana no mitantana ny fifidianana ary ny fanjakana nanana kandida. Ambara ombieny ombieny ireo tsy fahatomombanana rehetra tamin’ny fifidianana, indrindra, ny halatra, izay ny lalàna napetraky ny governemanta tamin’ny fitantanana ilay fifidianana dia nanamora ny fisian’izany hala-bato izany. Samy nitabataba sy niresaka fisiana hala-bato daholo ny rehetra na mpanohitra na mpiaradia amin’ny fitondrana. Ilay nangalara-bato nitabataba ary ilay nangala-bato izay nahafantatra ny fisian’ny asany tokoa dia niteny koa hoe nisy ny hala-bato satria izy izao no nanao azy. Ny fahitanay FLN azy dia fanehoan-kevitra ihany io satria raha ny zava-misy rehetra dia aty am-piandohana dia efa ho fantatra fa tsy hahazo rariny amin’ny fitsarana na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitoriana rehetra mandeha eo satria na ny fanjakana na ny governemanta dia manana kandida ary ny filohan’ireo fitsarana ireo dia ny filoham-pirenena izay manana kandida ao anatin’ny vondrona Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina. Mbola tsy manomboka akory ny fitsarana no dikan’izany dia efa mahatsapa tena ny tena fa ho resy fa ny fampahafantarana ny zava-misy amin’izao tontolo izao kosa no tena atao amin’ireo fitoriana rehetra ireo. Tsy hifanalavitra amin’ny «azo raisina fa tsy mitombina» ihany no ho valim-pitsarana eo, hoy hatrany ny FLN!
J. Mirija
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.