airtel

Politique

19-févr-2025

Gadra politika, vadin'i Paul Rafanoharana

Afaka tao Tsiafahy sy nitsabo tena any La Réunion

Sample post image

Nafindra avy tao amin'ny fonjan'i Tsiafahy ho any amin'ny Nosy La Réunion

19-févr-2025

tamin'ny tapaky ny volana Janoary lasa teo i Voahangy Andrianandrianina, vadin'i Paul Rafanoharana, taorian'ny olana ara-pahasalamana nahazo azy nandritra ny volana vitsy lasa, araka ny tatitry ny Africa Intelligence omaly 18 Febroary. Handiso an’io ve ny Fanjakana ? Raha tsiahivina, nosamborin'ny fitondrana Rajoelina izy mivady sy olona hafa maromaro tamin'ny taona 2021 noho ny raharaha Apollo 21, izay nolazaina fa nisiana fikasana hamono an-dRajolelina. Taorian'ny fitsarana ny desambra 2021, voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny 5 taona i Voahangy Andrianandrianina, raha 20 taona an-tranomaizina kosa no nanamelohana an'i Paul Rafanoharana. Hatramin'izao dia mbola migadra ao amin'ny Fonjan'i Tsiafahy i Paul Rafanoharana, na dia efa nangatahan'ny Firenena Mikambana havoaka tsy misy hatak'andro sy omena onitra aza, noho ny ambaran'io rafitra io fa tsy fanarahan-dalàna natao tamin'ny fisamborana sy ny fitazonana azy am-ponja vonjimaika. Efa nisy resaka nandeha teo aloha nataon'i Fanirisoa Ernaivo mpialokaloka politika any Frantsa fa nitady lalana amin'ny hanolorana azy ireo amin'ny Fanjakana Malagasy ho tambin'ny famotsorana an'i Paul Rafanoharana ny Fanjakana Rajoelina. Sarotra anefa io raha izay tokoa satria misy lalana sy fepetra miaro ireo mpitsoa-ponenana politika na "réfugié politique". Raha hiverenana, i Philippe François, ilay manamboninahitra frantsay voarohirohy tamin'ity raharaha ity, dia efa nalefa tany Frantsa noho ny tsindry nataon'ny governemanta frantsay. Sarotsarotra ny mbola hahavitan'ny Fanjakana Rajoelina ny hamerenana azy ny vadin'i Paul Rafanoharana any Tsiafahy indray, indrindra fa atsy amin'ny Nosy La Réunion izay anatin'ny departemanta Frantsay. Marina fa misy ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amintsika sy ny Frantsay, fa tsy azo eritreritina ny hanoloran'ny Frantsay azy hogadraina eto indray. Ny Malagasy voarohirohy amin'ity raharaha ity no ahiana hizaka manontolo ny fandetetehana, raha toa kosa ka mety ho tafavoaka noho ny tsindry ara-jeopolitika sy iraisam-pirenena ireo vahiny. Tahaka izany ihany koa ireo gadra politika Malagasy asesy sy alentika any am-ponja toa mitovana hatrany ny vesatra ahafahana handetehana azy ireo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-mars-2025

Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,

Card image cap
26-mars-2025

Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,

Card image cap