Raha hiverenana amin'ny tantaran'ny raharaha nanenjehana azy, dia voaheloka higadra 12 volana an-tranomaizina izy tamin'ny desambra 2020 taorian'ny fanambarana fa nanely vaovao tsy marina mikasika ny raharaha Dr Benessy. Voarohirohy ihany koa tamin'ny janoary 2022, nahazo sazy 6 volana sy lamandy 6 tapitrisa Ar noho ny tsaho mikasika ny olana tamin'ny tetezana teo amin'ny RN2. Nitsikera azy ihany koa ny vazaha antsoina hoe Olivier Blancard, izay nanambara fa mpamatsy bala ny dahalo sy miaramila ao amin'ny Fiadidian'ny Repoblika, ka nahatonga ny fampidirana am-ponja azy indray tamin'ny 30 septambra 2022. Nivoaka tamin'ny 31 desambra 2022 izy, ary taorian'izay dia nanao fandaharana manokana tamin'ny fahitalavitra. Tamin'ny 2 janoary 2023, nilaza izy fa efa niaina ny fonja, fa tsy hampihemotra azy izany ary hanohy ny tolona. Nosamborina indray izy tamin'ny 4 janoary 2023, noho ny raharaha Dr Benessy, izay nahatonga azy ho voaheloka herintaona an-tranomaizina tamin'ny 31 desambra 2020. Ny 31 janoary 2023, voaheloka telo taona sy tapany an-tranomaizina izy, ary nahazo 18 volana noho ny fiampangana fanalam-baraka avy amin'ilay Vazaha, ary 2 taona kosa noho ny fitorian'ilay mpiaramila. Tsy nahazo rariny kosa i Mahery Lanto Manandafy tamin'ny fitoriany an'ilay Vazaha izay nandrahona azy ho faty. Na naneho herim-po sy nanampy ireo voafonja hafa aza i Mahery Lanto mivady tany am-piandohana, dia nisy fiantrakany goavana taminy ny fanagadrana satria ny aogositra 2024 dia voatery naiditra hopitaly satria voalaza tamin’izany fa voan’ny AVC (Accident Vasculaire Cérébral) na karazana fahatapahana lalan-dra. Anisan'ireo tsy nisorona sy tsy nitsitsy tamin'ny fanambarana sy ampamoaka maro samihafa mikasika ny toe-draharaha eto amin'ny firenena, indrindra amin'ny sehatra politika, toy ny tsy fahombiazam-pitantanana sy ireo afera maloto i Mahery Lanto. Betsaka ny tsy faly taminy, ary maro no mieritreritra fa efa nisy fandrasana mialoha tamin'ny raharaha. Andrasana kosa izay mety ho fihetsiny taorian’izay sedra nolalovany izay hoe : hanohy ny fanatsikafonana ireo tsy fanjariana ve sa hisafidy ny hangina i Mahery Lanto Manandafy ?
MBOLA MAFY NY ADIN’IREO HAFA?
Afaka i Mahery Lanto Manandafy izay somary manitikitika hoe : misy ifandraisany tamin’ny safidy politikan’ny vadiny izay nanohana ny kandidan’ny IRMAR ve sa fifandrifian-javatra ihany. Ny zava-dehibe dia ny fahafahana. Mbola betsaka kosa etsy andaniny ireo gadra politika any am-ponja ary misy aza ny toa mbola tsy notsaraina hatramin’izao toa an’i Stan’Ley Ramarivelo izay nosamborina ny oktobra 2022. Ry Rolly Mercia efa ela no tokony ho nivoaka raha ny fanazavana efa nentin’ny mpisolovava azy fa toa nitovana hatrany ny vesatra. Tahaka izany ihany koa i Mbola Rajaonah izay efa voalaza fa tokony hivoaka amin’ny aprily izao saingy io mitovana amin’ny resaka harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna na « avoir illicites » io. Tahaka izany ihany koa ny mpanao gazety Lola Rasoamaharo. Vao faramparany teo i Jean-Luce Randriamiamihoatra izay vao avy nohelohina 3 taona an-tranomaizina, raha mbola baraingo ny mikasika an’i Fernand Cello,…
Toky R
Tsiahivina, hoy ny antoko politika Teza, fa ny frantsay, ny vondrona eoropeanina,
Manamafy ny tsindry hamoahana an’i Paul Maillot Rafanoharana i Frantsa, amin’ny alalan’ny loholona Christophe-André Frassa,