airtel

Politique

04-juin-2024

Gérard Ramamimampionona

«Ny fahamarinana ihany no mitondra fitoniana»

Sample post image

Mbola anaty atao hoe zotram-pifidianana isika izao, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry

04-juin-2024

ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona. Nandeha, hoy izy, ny talohan’ny fifidianana, ny fifidianana na fandatsaham-bato dia anatin’ny fikirakirana ireny vato ireny izany isika izao. Miandry valim-pifidianana fa tsy vokam-pifidianana isika io. Tsara marihina izay. Ny atao hoe valim-pifidianana dia hoe iza no nahazo vato tahaka izao tamin’ny fifidianana? Ny voka-pifidianana dia tokony hoe io ilay olona nomenao fahefana fa miahy anao, miasa sy manompo anao mahatonga fiaraha-mientana hitondra fampandrosoana. Rehefa tsapan’ny olona hoe misy vokany toy izany ny fifidianana dia mazoto hifidy amin’izay izy. Tsapan’ny olona fa tsy nisy voka-pifidianana teto hatramin’izay dia hoy izy hoe izahay tsy hifidy intsony fa tsy misy vokany akory ilay izy. Ny voka-pifidianana izany dia asa. Tsy mahagaga raha mikorontana foana ny valim-pifidianana satria tsy nahitana vokatra nahasoa hatramin’izay ny fifidianana. Miteny daholo matetika ny mpanara-maso avy ato anatiny sy avy any ivelany hoe nizotra am-pilaminana ny fifidianana nefa isika mba samy nianatra kely ihany hoe fa (–x+=-) na miiba ampitomboana miabo dia mira miiba. Niaraha-nahita hoe nisy tsy nety betsaka tao. Eto am-piandrasana ilay valim-pifidianana no misy ny resaka doro trano, ny hala-bato, ny fangalarana voka-pifidianana ary samy nifampiapanga ho nanao izany daholo ny andaniny sy ankilany. Ny famadihana vokatra koa voaresaka, ny fikasihan-tanana. Sady tsy mahay no tsy mahazaka demokrasia isika no dikan’izany rehetra izany. Na hiantso fitoniana fampiriny eo aza rehefa misy foana ny tebiteby toy ny tsy fandriampahalemana, tsy fahamarinana sy ny toy izany rehetra dia tsy hitondra fitoniana mihitsy. Miantso ny rehetra handray ny andraikiny amin’ny sehatra misy azy avy mba hampihatra ny fahamarinana fa ny fahamarinana ihany no mitondra fitoniana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap