airtel

Politique

04-juil-2024

Gérard Ramamimampionona

«Zava-misy an’ny malagasy no ilaina hanorenantsika firenena»

Sample post image

Azo ampiharina tsara na amina tontolo ambanivohitra na andrenivohitra ny rafi-piarahamonina atao

04-juil-2024

hoe «Kianja maitso», hoy ny filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha sady mpitarika ny hetsika sakaizan’ny Kianja maitso, Gérard Ramamimampionona, saingy hatreto dia ny tontolo ambanivohitra no tena mampiasa izany rafitra manabevoho ny soatoavina malagasy toy ny Fihavanana sy firaisankina izany. Azo ambara ho endrik’izany ety andrenivohitra, hoy izy, ohatra, ireny tanànan’olona iray asiana vavahady itambarana dia teny ierana ao hoe hatramin’izao io no misokatra dia rehefa izao no mihidy mba hitandroana ny filaminana ao amin’ilay toerana. Azo atao ny manao Kianja maitso anaty haino aman-jery na tambazotra. Efa manana finday daholo isika, ohatra, dia andao hanangana sehatra ifampiresahana na «groupe de discussion» ifampiresahana ny adidy samihafa. Raha misy rano maloto na tatatra tsentsina ve, ohatra, eto aminao eto dia mbola hiandry ny kaominina foibe na fiadidiana ny repoblika mihitsy hangataka hoe diovy io? Anjaran’ilay olona no tokony hahatsapa hoe inona no tokony ataontsika amin’ity? Ianao 20 trano no mila mifanentana anaty fifanajana. Tontolo ambanivohitra aloha izany no hanombohantsika azy dia heverina fa hiakatra tsikelikely ety andrenivohitra izany avy eo satria efa tsy nofinofy intsony. Tsy ny kaominina Andriambilany ihany no ahitana ny fampiharana izany soatoavina mifototra amin’ny fihavanana izany fa samy manana daholo ny faritra sy foko samihafa. Misy izany atao hoe «Fatrange» izany ao Atsimo atsinanana ao. «Ambanikily» ao atsimotsimo ao. Ao avarabaratra ao koa misy fomba iainan-drizareo azy. Anjarantsika izany no mampiely ireny rafitra mampihatra fihavanana amin’ny fotoana rehetra ireny fa tsy hoe rehefa misy fahavoazana na fahoriana ihany. Tao anatin’ny fotoana nikarohana ny atao hoe inona izany atao hoe fanorenana na «refondation» nahitana io rafi-piarahamonina izay azo lazaina hoe efa lahatry ny Zanahary ho antsika io. Tsy an’ny CFM io fa efa nisy kaominina tompony dia hoy izahay tao amin’ny CFM tamin’izany hoe voa tsara tsara aparitaka itony. Andriambilany manana fokontany miisa 9 fa manana Kianja maitso 40 isa mahery ary samy manana ny fomba fiainany sy fihetsiny koa ireo. Nijanona moa ny CFM dia hoy ny tenako sy ny ekipako hoe zavatra tsara toy izany ve dia tsy ho tohizana dia nanangana izahay ny atao hoe Sakaizan’ny Kianja maitso. Misy raiamandreny be miisa 2 efa niara-niasa tamin’ny kolonely Ratsimandrava no isan’ny niaraka taminay hoe ohatran’ity ilay zavatra atao fa izahay aza nihevitra hoe any amin’ny fokontany no fetran’io. Mbola tsara no ilay noheritreretinay ity satria mbola midina kokoa any ambanin’ny fokontany. Ny zava-misy an’ny malagasy no ilaina hanorenantsika firenena dia miakatra tsikelikely fa tsy ho toy ny any ivelany hoe ny avy any ambony no matanjaka dia ny tokony ho fototra indray no maleme dia lasa mitsotsorika ilay izy. Ny fototra no tokony hatanjaka dia mafy orina tsara ny firenena. Kaominina miisa 20 mahery eo izao no efa nandehananay. Iny faritra Andramasina iny no tena isan’ny betsaka satria ny ao Mandrosoa Andramasina izao dia notapahana tao amin’ny filankevitry ny kaominina mihitsy hoe tsy maintsy asiana an’io isaky ny fokontany. Ny kaominina sasany hoe aleo aloha haka fokontany iray atao fanandramana. Ny kaominin’Andranomanelatra, Antsirabe, izao dia izay no nanaovany azy. Ny sasany hoe haka vohitra kely mihitsy aloha dia samy nanao izay nampety ny azy fa ilay izy miparitaka no zava-dehibe, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap