airtel

Politique

22-août-2024

Governemanta vaovao

Efa mba nisy lera nivoaka aloha!

Sample post image

Efa mba nisy lera nivoaka aloha izany iny omaly mikasika ny fanendrena ireo mpikambana ao

22-août-2024

anatin’ny governemanta vaovao malagasy! 42 andro taty aorian’ny nanendrena fanin-diminy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, no vao io misy fampahafantarana io fa ny tolakandron’ity anio ity, amin’ny 4 ora no ho tendrena ireo mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta. Mbola fanendrena ve izany io fa mbola tsy avy hatrany dia fampahafantarana hoe ireto avy ireo voatendry? Tena ho voahaja indray ve ny ora sa mbola ho asiana fampiandrasana ora maro dia mba amin’ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «suspense» na dia efa fantatra izao aza fa nilatsaka dia nilatsaka ny fahalinan’ny vahoaka malagasy izany atao hoe politika eto Madagasikara izany? Inona moa izany no azo antenaina amina governemanta heverina ho tara fitsanganana satria iaraha-mahalala fa 72 ora aorian’ny fanendrena praiminisitra no tokony hahavoatendry ireo minisitra hikambana anatin’ny governemantan’izany praiminisitra izany ho an’ny firenena maneran-tany manaja ny soatoavina repoblikanina? Tsy efa naman’ny tara fanombohana asa ihany ve izany ireo minisitra ho voatendry, izay ho voatery hanaraka am-bokony fotsiny ny vina tsy niarahan’izy ireo namolavola akory tamin’ny filoham-pirenena sy praiminisitra nanendry azy ireo? Maro ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny ary heverina fa manahirana ihany ny miheritreritra ny mety ho tohin’ny raharaham-pirenena sy adihevitra politika eto amin’ity firenena ity raha toa ka ny teo ihany tokoa no mbola ho eo ao anatin’izao lazaina fa governemanta vaovao izao. Governemanta volamena, araka ny vazivazy zaritenan’ny mpanao politika sasany tokoa ve no hitsangana sa governemantana bizina politika na governemantan’ny tsy fahombiazana hatrany? Inona no tena anton’ilay fahataran’ny fanendrena sa efa tafiditra ao anatin’ny fanandramana ny maha governemantan’ny fahagagana na «miracle» ireo voatendry daholo izany?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap