airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Hafa kely tany amin’ny Lapan’i Elysée « Nandalo Ramaka dia may ny tanàna… »

Sample post image

Maro no nahatsikaritra ny tsy fahasalamana tampoka nahazo ny iray tamin’ireo miaramilan’ny « garde Républicaine » tao amin’ny lapan’i Elysée Paris Frantsa ny sabotsy lasa teo nandritra ny fahatongavan’ny Filoha Malagasy Andry

12-juin-2023

Rajoelina teny an-toerana. Nifanandrify indrindra tamin’ny fotoana niakaran’ny Filoha ireo tohatra ka hifandraisany tanana amin’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron no toa nitambotsitra tampoka sy tsy nahetsika ilay miaramila, nihazakazaka namonjy azy ny vatan-dehilahy miisa 3 avy eo, nibata sy nanala azy teo.Efa nizotra niditra tao an-dapa moa Filoha mirahalahy tamin’izay rehefa avy nifandray tanana sy naka sary toy ny fanao mahazatra. Tsy fahatomombanana ara-pahasalamana tampoka no tombanana ho nanjo ity ranamana ity, ary anisan’ny sary tena tsy fahita firy no nitranga hatramin’izay hoe nisiana filoham-panjakana na filoham-pirenena tonga tao amin’ny lapan’i Elysée . Ny taty Madagasikara moa vantany vao nahita ilay horonantsary dia maro no nahateny avy hatrany hoe : io ary fa tanteraka ilay resak’i Prezida hoe : vao maheno ny anarako, vao mahita ahy dia latsaka « pipi ». Teo koa ireo nilaza fa izao mihitsy no atao hoe ; « mandalo ramaka dia may ny tanàna ». Raha itarina ny resaka dia hoe izay andalovany dia sahirana, 5 taona latsaka kely izao i Andry Rajoelina no nitondra an’i Madagasikara amin’ny maha filoha voafidy azy fa tena mahatadidy ny anarany tsara ny rehetra ny amin’ny zava-nitranga sy ny fihazakazaky ny fitombon’ny fahasahiranana, ireo fampanantenana tsy hita izay tohiny avy eo, ny vava tsy ambina, ny delestazy, ny tsy fandriampahalemana…
RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap