tsy nisy fanentanana goavambe na « tam tam », na fampisehoana maimaimpoana,… saingy niara-nientana ny vahoaka. Io no mamintina ny fanokafana ny fampielezan-kevitra omaly 19 novambra ho an’ny kandida laharana faha-2 atolotry ny Antoko Tia Tanindrazana dia i Tahina Razafinjoelina. Manomboka tafita ny hafatra. Foto-kevitra hampandroso fa tsy fanompoana olon-tokana. Diabe am-pilaminana niainga tetsy Sonierana niazo teo anoloan’ny kianja Barea Mahamasina, nilanja sora-baventy, nanambarana ny zava-misy, ahiahy, fitakiana, hetaheta,… Fiaraha-mientana goavana ara-politika satria na ny mpifahavalo tamin’izany aza nihavana sy resy lahatra, fa tena tonga ny fotoana hanovana ny tsy mety rehetra hatramin’izay.
ASA FA TSY RENDRARENDRA
Tonga ny artista, tsy nihira fa vonona hiara-hiasa, fifanampiana amin’ireo namana ny vola entina miasa, miara-miasa,… Betsaka no manolo-tànana. Niasa no natao, ary ny teny Anosipatrana aza dia nijoro maimaimpoana ny mpitsabo nitsabo ireo ankizy, ary mbola vonona hanao amin’ny toeran-kafa, hoy ny kandida N2. Nanamafy i Tahina Razafinjoelina, fa asa fa tsy rendrarendra. Mora amin’ireo namana artista ohatra ny manao fety, kanefa mandany vola ihany ka fety iray mety hahavitana lavadrano 5, hahavitana jiro hanazavana ny tanàna 100, mahazo kahie an’arivony ho an’ny mpianatra satria ny fanabeazana no fanalahidin’ny fahantrana,… Tsy vitan’ny vina, fa mila asa, ary raha vina manana isika, fa mila porofoina amin’ny asa, ary tena nanao izany ny Tia Tanindrazana sy ireo mpiara-dia.
ITY NO TENA FIRAISANKINA
Tazana tao avokoa ireo herivelona sy antoko samihafa, toy ny Antoko MMM tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivo izay nilazan’i Tahina Razafinjoelina fa tsy nifankahazo ary nifampitory aza, saingy ny fahatsapana fa ny fahantrana no fahavalo iraisana dia niombona. Tahaka izany ihany koa ny ARB tarihin’i Raobelina Andry, ny MFM, ny Antoko Lafatra, ny FMI Malagasy,… Mamaky lay amin’ny fanovana ny anton’ny nahatongavanay eto, hoy i Constant Raveloson. MpanohItra izany tsy misy ampihimamba amin’ny fanoherana, ka hoe izahay irery no mpanohitra eto. Ny olona hanao fanovana tsy manao reniranon’Ikopa ka hoe tonga namana vao mavomavo fa miaraka be tahaka antsika izao. Izay tsy mahay sobika mahay fatram-bary. Vina, Asa ijanona ho an’ny vahoaka sy ny kaominina, asa fa tsy rendrarendra. Miara-dia amin’i Tahina Razafinjoelina, mitovy ny fjery dia ny hananan’ny vahoaka an’antananarivo isan-tokantrano asa. Efa niara-dia foana tamintsika hatramin’izay. Ny vina no tena jerenay, Tahina Razafinjoelina, ola misokatra, mahay mihaino ary tena misokatra sady vanona no vonona, hoy ny Filohan’ny Antoko Lafatra Président Lala,… Izao tena hitantsika izao notena firaisankina, fa tsy anarana fotsiny tahaka ny an’ny sasany. Ady an-trano no ao. kolekitifa mbola tsy vaky, hoy kosa i Jean Jacques Ratsietison.
Toky R
Efa ela no nitolomantsika, vao tamin’ny herintaona no nisy naratra, nisy nogadraina tamin’ny hetsika,
Tsy hoe zava-baovao no atao ankehitriny fa fanohizana ny tolona natomboka ny taona 2023,
Eto Antananarivo no fiantombohan’ny fanovana, ary isika tsy hanaiky hataon’ny olona lafika intsony.
Tsy vaky ny Kolekitifa an’ny Malagasy ary manohana an’i Tahina Razafinjoelina avokoa !
Naneho ny heviny sy fijeriny mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra i Andry Herinjaka
Manamafy ny avy ao amin’ny birao politikan’ny antoko Tia Tanindrazana, fa nametraka taratasy fampahafantarana