airtel

Politique

23-juil-2024

Haingo Paradis nanatitra CV ho minisitra

«Efa mihohoka ny vilanin’ny malagasy ankehitriny»

Sample post image

Tonga nametraka ireo antotan-taratasy mombamomba azy tetsy amin’ny lapan’Ambohitsirohitra

23-juil-2024

omaly ny filohan’ny Haingo Paradis Madagascar, Haingo Paradis na Vololomboahangy Haingotahiana Laurence. Nilaza ny tenany fa ho mariky ny fahavononany dia tsy niafina izy nanatitra izany antotan-taratasy hifantenana azy ho minisitra izany. Nosafidiako manokana, hoy izy, ny minisiteran’ny mponina sy ny asa sosialy noho ny andraikitra sy lalana nodiavina izay tsy niafina tamin’ny vahoaka malagasy. Izany no nanosika ahy hamoha ny fitiavan-tanindrazana hoe fotoanany izao, mila olom-baovao ny firenena. Mila olona sahy mijoro ihany koa, tsy miandry atolotr’iza na iza fa noho izay afom-pitiavan-tanindrazana manery ny tena izay dia niroso isika ary isaorana an’Andriamanitra fa tafapetraka soamantsara izay dosie izay. Manao antsoavo amin’ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny amin’ny mba hijerena ireo dosie rehetra mba tsy hisian’ny hoe izay atolotry ny aty ambany ihany no jerena fa tena hoe mba ny rehetra mangetaheta na dia hoe ny hevitra ao anaty ihany aza no henoina fa mba aoka samy ho henoina daholo ny rehetra! Ekena fa mety tsy ho tafiditra anaty fitondrana avokoa fa aoka mba ho henoina ny hevitry ny rehetra satria fotoana izao hifanomezan-tanana. Malaza hatramin’izay ny resaka hoe «cerveau» na atidoha fa ny zava-misy dia tena miongana ny vilanin’ny malagasy ankehitriny. Isan’ny tsy naha tafandrimandry izany rehetra izany. Avy amin’ny vahoaka malagasy ny tena. Niara-niosona tamin’ny malagasy. Mahita ny fahantran’ny malagasy. Sahiko ny manao fanamby amin’ireo «cerveau» izay miafinafina manatitra CV ireo. 17 taona aho no nisehatra tamin’izay sosialim-bahoaka izany. Ananantsika ny fahaizana, ny hevitra, ny vina. Mametraka fanamby aho hoe 6 volana monja no angatahiko dia ho hita mipaka any amin’ny vahoaka izay fanatsaràna izay satria averiko foana hoe marina fa mandalo fahasahiranana ny firenena saingy tsy an-kiandry izany intsony ny lafiny sosialy. Efa mihohoka ny vilanin’ny malagasy ankehitriny ka tsy vita intsony ny hipetra-potsiny amin’izao. Matoky ny fahendren’ireo mpitantana ny firenena aho fa handinika tsara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap