airtel

Politique

31-mai-2024

Hala-bato sy hosoka

Misy mpiaro ireo mpanao ratsy matoa sahy

Sample post image

Tsy sanatria hoe adala izahay ka miteniteny foana, fa tena misy ny fika ratsy sy tetika maizina hangalaram-bato eto .

31-mai-2024

Ampahany tamin’ny horakorak’ireo olona teny Anosibe sy Antsahabe anisan’ny nahitana biraom-pifidianana nitrangana olana teto Antananarivo renivohitra izany ny alarobia lasa teo nandritra ny fifidianana solombavambahoaka.
KITOATOA MITETY VANIM-POTOANA
Fa mbola nahitana zavatra hafahafa ihany koa tany Toliara, Fianarantsoa, Toamasina, Mahajanga , tany amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny nosy iny. Maro ny fitarainana, milaza ny efa mijery izany ny CENI.Misy ireo kandida efa nandrafitra an-taratasy ny fitarainana sy fitoriana ka hametraka izany any amin’ny CENI sy ny HCC. Tsara ho marihina fa tsy hoe vao tamin’ity 2024 ity tsy akory i Madagasikara no niatrika fifidianana fa efa tany amin’ny repoblika voalohany, izany hoe 60 taona mahery kely lasa izany. Raha ny CENI manokana dia efa ny taona 2010 no nisiany rehefa raikitra ny fanovana lalampanorenana, CENI-T no anarany tamin’izany. Andry Rajoelina no filohan’ny tetezamita ary maro amin’ireo olona manampahefana amin’izao fotoana no efa niara-niasa taminy tamin’izany fotoana. Tamin’io fitsapan-kevi-bahoaka mba hanovana ny lalampanorenana io no nitranga voalohany ny tandrametaka sy fifidianana kitoatoa satria dia nekena fa manankery entina mifidy ny karinem-pokontany.Efa nipoitra tamin’izany fotoana ihany koa tahaka ny tratra tany Moramanga ny bileta tokana vita marika mialoha.Nolazaina fa hoe nanaovana fanentanana tamin’ny propagandy moa. Niova ny taona, nisesy ny karazam-pifidianana fa dia mipoitra eny ihany ny zavatra hafahafa mampiahiahy, ka niala tamin’ny karinem-pokontany dia niditra tamin’ny resaka anarana miverin-droa na « doublon » indray. Misy karapanondro an-jatony misy manary tampoka eny ambany tetezan’i Tanjombato izany ; ankehitriny fifidianana tsy manomboka dia efa misy fitantanana an-tsoratra na PV vita sonia.Misy andian’olona tratra miaraka amina karapanondro sy kara-pifidianana maro be any anaty paosiny.
SAHY MATY SATRIA MISY MPIARO
Amin’ny fomba ahoana kosa moa no ahatokisana amin’izany tranga misy izany fa hoe madio io fifidianana io ? Tsy olom-pirenena tsotra miresadresaka ao an-tranony ao no handeha hiketrika hala-bato.Misy mpaniraka, misy mpanome vola, misy mpanome toromarika ireny.Raha manadihady tsara araka ny tokony ho izy ny CENI sy ny mpitandro filaminana dia tsy hamoaka ilay fehezanteny hoe azo raisina fa tsy mitombona ny fitsarana avo momba nylalampanorenana (HCC) fa dia ho tra-tehaka eo daholo ny mpanao hosoka sy mpangala-bato. Fa matoa tsy tratra ireo dia misy matanjaka miaro. Voaviravira ny safidim-bahoaka ; tahaka ny hoe angano angano ny hoe fahalahana maneho hevitra sy demokrasia.Tsy misy hasiny intsony ilay fanaovana politika fa lasa mpikarama an’ady no mameno tanàna. Izany ve tsy efa famotehana ny firenena.
RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap