airtel

Politique

17-déc-2024

HALA-BATO TAMIN’NY FIFIDIANANA

Maro be ireo tranga mampiahiahy, hapetraka tsy ho ela ny fitoriana

Sample post image

Tsy ampy ny miteny fotsiny sy mimenomenona fa tsy maintsy arahana taratasy sy porofo ny filazana

17-déc-2024

fa nisy ny tranga mampiahihahy amin’ny fisian’ny hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanana ny 11 desambra 2024 lasa teo. Nanara-maso akaiky ny zava-mitranga mialoha, mandritra ary taorian’ny fifidianana ny ekipan’ny Tia Tanindrazana izay nanolotra any kandida Tahina Razafinjoelina. Nisy tokoa ny tranga mampiahiahy, voamarik’ireo delege tany amin’ny biraom-pifidianana sy tsikaritr’ireo mpanara-maso manokana teny anivon’ny fiarahamonina teny. Misy santionany ho tanisaina ireto : Ordonnance feno sampona , anarana hafahafa, lazaina fa tsy misy ray, tsy misy reny. Vehivavy iray manan-janaka mitovy anarana miisa 16, eny 30 aza. Olona sady manana kara-pifidianana no mbola mitondra ordonnance.Mpifidy mitondra kara-pifidianana sy karapanondro. Anarana samy hafa anefa no voasoratra ao amin'ireo. Olona mifidy any amin'ny toerana tsy misy ny toeram-ponenany ara-dalàna. Olona notaterina tamin'ny fiara ka nifidy tamina birao fandatsaham-bato maromaro. Olona tratra nitondra bulletin pre-coché maromaro. Tsy fisian’ny taratasy mirakitra ny fanisana ny vatom-pifidianana narotsaka tao anaty urne na « feuille de dépouillement ».Tsy mitovy ny isan’ny vato voasoratra ao amin’ny fitananana an-tsoratra na PV sy ny misoratra ao amin’ny « feuille de dépouillement ».Taratasy fitanana an-tsoratra mitakosona sy soratra tsy hay vakiana.Tsy voasoratra mazava eny amin’ny solaitra be ho hitan’ny rehetra ny daty sy ora marina nanombohana sy nifaranan’ny fandrotsaham-bato. Efa andro vitsy izao no nandrafetan’ny ekipan’ny Tia Tanindrazana ireo antontan-taratasy mifandraika amin’ny ahiahina hosoka sy halabato ary ho apetraka tsy ho ela eny amin’ny tompon’andraikitra manana ny fahefana araka ny tondroin’ny lal na izany. Mba ahafahana manao fanadihadiana lalina sy mampihatra ny lalàna amin’ireo izay meloka sy nanao ny tsy nety ka namadika ,nandiso na nanova ny safidim-bahoaka.
RTT

 

Dans la même rubrique

13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap
12-mars-2025

Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny

Card image cap