airtel

Politique

28-juin-2024

Hametra-pialana ny governemanta

Mbola hangotraka ny tohiny…

Sample post image

Vita tanteraka ny fifidianana solombavambahoaka, izay azo lazaina ho fombafomba ihany,

28-juin-2024

fa ny tohiny no manitikitika ny rehetra. Hanao ahoana ny governemanta ? Inona no mety ho tsio-drivotra politika vaovao ? Andrasana ny fametraham-pialan’ny governemanta taorian’iny fanambarana ny vokatra ofisialin’ny fifidianana depiote iny, izay mamaritra ny sary politika vaovao mety hitranga. Tsy dia misy fiovana ny resaka fananana maro an’isa izay ny IRMAR, ka izy ireo izany no hanolotra ny anaran’ny Praiminisitra araka ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana. Hivadika olon-kafa na olom-baovao teo amin’io toerana io sa mbola ho voatazona hatrany ny Praiminisitra am-perin’asan Atoa Ntsay Christian izay efa hatramin’ny jona 2018 no nitazona io toerana io ? Tsy ny resaka fanolorana Praiminisitra ihany, fa ny firafitry ny governemanta dia tokony ho taratry ny ao Tsimbazaza, raha ny lojika. Vao ny tapak’ity volana ity rahateo i Andry Rajoelina no nilaza tany Toamasina, fa io no mamaritra ny tanjaka politika, ny maro an’isa no mandrafitra ny governemanta,… Ho depiote ve no hahazo ny toerana eny Mahazoarivo. Tsara toerana ary nahazo fahamarinan-toerana aloha ireo Minisitra vao avy nisedra fifidianana ka lany. Samy miandry izay ho endrika isehoany, fa miankina amin’ny mety hitranga amin’ny 09 jolay fotoana hanaovana ny fivoriana voalohany hananganana ny birao maharitra sy ireo vaomiera ihany koa io. Ny andininy faha-78 amin’ny lalàmpanorenana moa no mamaritra, fa manao fivoriana avy hatrany ny antenimierampirenena ny talata faharoa manaraka ny fanambarana ny vokatry ny fifidianana azy mba hanangana ny biraony sy ny fanamboarana ny vaomiera. Manana zo amin’ny toeran’ny Filoha lefitra iray ny mpanohitra ary mitarika ny iray amin’ireo vaomiera farafahakeliny. Ho hita eo hoe : iza no ho Filohan’ny Antenimierampirenena ary iza no mety ho Praiminisitra. Ny anaran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle izay efa isan’ny tsara toerana tamin’ny fanendrena Praiminisitra farany no re siosio tany aloha fa hatao PAN, saingy lasa hoe : mety hatao Praiminisitra mihitsy aza. Ity farany izay nanao poa-droa tao Fianarantsoa. Ny anaran’ny Minisitra teo aloha Tinoka Roberto kosa no anarana henoheno fa mety hatao PAN ka dia miandry hoe : hizotra amin’izay sa haverina amin’i Fianarantsoa ny PAN ? Anarana re siosio mety homena ny fitarihana ny fahefana mpanao lalàna ihany koa anefa ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha Atoa Imbiki Herilaza. Andrasana izay mety ho sary vaovao na etsy Tsimbazaza na ny eny Mahazoarivo sy Iavoloha amin’ny fandrafetana ny governemanta izay heverina fa mbola hangotraka. Hanana olona sy endrika politika afaka hitondra fiovana sy akony ho an’ny vahoaka ve ny fitondrana sa kajikajy politika handrendrehana saim-bahoaka hatrany no hitranga ka ny tonta no havadibadika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap