airtel

Politique

06-août-2024

Hatolotra kimaimaika ny zoma izao ny PGE

Mikorapaka ireo minisitra, hitsangana ny governemanta…

Sample post image

Iray volana latsaka efatra andro izay no nametra-pialana ny governemanta, izany hoe :

06-août-2024

tsy misy governemanta ara-dalàna intsony teto Madagasikara taorian’izay, ankoatra ny Praiminisitra izay notendrena roa andro taorian’ny nametrahany fialana. Hivory tsy ara-potoana ny antenimierampirenena ny zoma 9 aogositra sy ny alatsinainy 12 aogositra izao izao hahafahan’ny Praiminisitra manolotra ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na PGE. Hitsangana mialoha an’io ny governemanta sa mbola miandry ? Midika fa tsy hiova firy ny mpikambana ka ireo ankehitriny no niara-namolavola ny PGE sa ny Filoha sy ny Praiminisitra ? Mifanaraka amin’ny filan’ny firenena sy hahavaha ireo olana samihafa sa natao tefitefy maika nanenjehana ilay iray volana farafahatarany taorian’ny fanendrena ny Praiminisitra ny 12 jolay ? Efa betsaka izay programa natolotra sy notanisaina izay, ankoatra ny filazan’ny Filoha isaky ny fiandohan’ny taona na mandritra ny lanonam-panjakana maro fa ho taonan’ny asa, hafainganina ny fampandrosoana,… Fandrendrehana saim-bahoaka ny betsaka. Raha mijery ny zava-misy ara-toekarena sy sosialy, minisitra maromaro no ratsy toerana. Manomboka toa mikoropaka sy manao serasera hanehoana fa miasa mba hitazonana seza ny ankamaroany, ka io mandeha io ohatra ny serasera amin’ny fanamboaran-dàlana, navoaka ny tetiandron’ny fizarana vatsim-pianarana saingy tsy mahafa-po ny mpianatra. Ny jiro sy angovo ary ny solika, dia ny vahoaka sady efa omena tolotra tsizarizary no mbola handrangarangana sazy famolosana ara-bola ankolaka, ny rano mampikolay fa tsy hita izay vahaolana,… Ao ny milaza fa nahomby ny ady tamin’ny fanolanana, misy ny mampanantena fa ho tafody ireo gidro sy sokatra niondrana. Misy ihany koa ny mety manantena fa ho voatazona rehefa nentina nanasonia fifanarahana iraisam-pirenena momba ny angovo, solika, harena an-kibon’ny tany na efa minisitra tsy ara-dalàna aza,… Asa izay ho endriny fa tsy vaovao eto ihany koa ny famerenana olona tsy nahomby, ny fitondrana rahateo toa tsy tena manana olona firy,… Miharihary eny foana fa tsy nivonona hitondra Fanjakana, fa nivonona hatrany handrombaka seza sy fahefana ny Fitondrana Rajoelina, niainga tany amin’ny Fanonganam-panjakana 2009. Dia io iaraha-mahita io fa iray volana tsy mahatsangana governemanta ! Hita taratra eny foana, fa aorian’ny fandraisany fahefana, dia mihemotra amin’ny lafiny maro ny firenena : tahan’ny fahantrana, ady amin’ny kolikoly, fahatanterahan’ny tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD, ny tondro momba ny fanjarian-tsakafo, fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny Fanjakana tsara tantana,…
TSY HITA TARATRA INTSONY FA MISY FANJAKANA MPIAHY ETO
Ireo natao hisolo vava azy betsaka no lasa misolelaka sy mpitehaka ka na efa hita izao aza fa tsy hita soritra izany fisian’ny Fanjakana na « présence de l’Etat » izany toa iniana hikipiana ny olana rehetra. Ny renivohitry ny Firenena aza ambony ambany, mainka fa ny Firenena manontolo. Azo antoka fa anisan’ny tsy mamparisika firy ny Fitondrana hiroso amin’ny fifidianana ireny rehetra ireny. Efa ireny novakian’ny depiote volomboasary iray ireny, fa dia ny olana ara-tsosialy toy io jiro sy rano io no nolazainy fa nampihena ny vatony, ary noho izy amin’ny maha izy azy no nifidianan’ny olona azy fa tsy noho izy volomboasary. Ny ao anatiny aza kivy!
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap