Naivo Raholdina, aza mba velom-panontaniana hoe inona marina moa no tena ilàna ity rafitra antsoina hoe HCDDED na Filànkevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna ity? Hita ho sahy nitsikera matetika ny fitantanana ny firenena sy izay lafiny demokrasia sy fampiharana ny lalàna izay tamin’ny fotoan’androny ny filohan’ity rafitra ity teo aloha, Pierre Lenoble Navony, ary niaraha-nahita tao anatin’izany ny karazam-panenjehana sy heverina hoe antsojay nihatra taminy. Isan’ny fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe hatraiza fahefana hananan’ity rafitra ity na koa fahafahany mampihatra lalàna na ilay antsoina hoe «force exécutoire»? Tsy efa azo lazaina ho mizotra any amin’ny fanohanana ny fitondràna ankehitriny aza ve ny fomba firesaky ny mpitantana vaovao an’ity rafitra ity? Nilaza ho mbola tena tao anatin’ny tsy fahasalamana moa ny filohan’ny HCDDED teo aloha ka mbola tsy tena afaka miresaka. Nambarany kosa anefa fa ilaina ity rafitra ity na dia maro amin’ireo mpanara-baovao sy mpisehatra eo amin’ny raharaham-pirenena aza no maneho fa tsy maharesy lahatra ny filàna azy.
J. Mirija
Distrika maromaro no notsidihin’ny filoham-pirenena tany Atsimo, hoy ny antoko politika Otrikafo omaly.
Manana ny asany voatondro mazava tsara ao anaty lalàmpanorenana ny atao hoe filoham-pirenena,
Nanao fanambarana iombonana ireo depiote sy ben’ny tanàna IRMAR avy amin’ny Faritra Vakinankatra
Notanterahana teto Madagasikara tao anatin’ny roa andro dia ny 3-4 janoary tetsy amin’ny Novotel Ivandry
Ireo tsy mampiasa ny jiro nomen’ny fitondràna ihany, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina,