airtel

Politique

05-juil-2023

Politique

Ho tapitra ihany ny fotoam-piasana Aiza ho aiza ilay solosaina isam-pokontany ?

Sample post image

4 taona latsaka kely izay, ny 08 aprily 2020 no niresahan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny hanomezana

05-juil-2023

solosaina isaky ny fokontany, izay tamin’izany no efa niresahana ny “digitalisation” saingy mandrak’ity ny androany tsy hita ihany izay vokany. Nisy ny fizarana moto ho an’ny ben’ny tanàna, fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Lehiben’ny distrika,… fa ilay solosaina isam-pokontany kosa toa nanjavona. Navoaka tato aoriana ny karinem-pokontany nambara fa manara-penitra, izay toa nentina nanaovana doka ny loko politikany, ary mbola baraingo ny fangaraharana tamin’ny tsenambaro-panjakana nentina nanatanterahana an’ireny. Resahina ny fametrahana “identifiant unique” ho an’ny olom-pirenena mba hamantarana sy hananana firaketana ny tsirairay, saingy ny fampitaovana mifandraika amin’izany manao ahoana? Zava-dehibe, ary taratry ny fandrosoana ny fampiasana sy fisitrahana ny teknolojia, ny haitao ara-kajy mirindra,… kanefa ny antsika toa mitady handringa lava izany. Tsy resaka fitaovana fotsiny ihany koa anefa io, fa eo ny olombelona, ny fahaiza-manao, ny hoenti-manana ara-bola,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap