Tsy nanana tanjona hitifitra loatra sokajin’olona iray ny mpitondra fivavahana tao anatin’ny fanambarana nataony, raha raisintsika ny fanambaran’ny filohan’ny FJKM, ohatra, hoy ny mpampianatra mpikaroka sady mpandalina tantara, Désiré Ranaivoson. Ny zavatra noresahiny, hoy izy, dia mitombina foana amin’ny vanim-potoana rehetra hisiana mpitondra fanjakàna, na iza izy na iza. Mitombina foana ny hoe aoka tsy ny fitiavana seza no hamonoana mpiray tanindrazana! Ohatran’izany koa ny hoe aoka tsy ny fitiavana seza no hipetahanao ny namanao! Marina foana izany manomboka aty amin’ny sefo fokontany ka hatrany amin’ny ambaratonga rehetra hatrany an-tampony. Natao hifandimbiasana ny toerana. Izany no demokrasia. Izany no ilàna ny fihavanana. Ny tenin’Andriamanitra dia marina amin’ny fotoana rehetra. Misy fomba fiasa iray fampiasan’ny mpandinika soratra masina izay antsoin-drizareo hoe «méthode inductive». Fandinihana Baiboly no resahina eto. Miainga izy amin’ny fandinihina tranga iray dia mijery hoe inona no toetra tsara tokony alaina tahaka na tokony sorohina na ialàna. Tamin’ny Krismasy izao dia nisy toetra tsara nataon’ny mpiandry ondry sy ny magy. Tokony alaina tahaka izany fa misy toetra ratsy nataon’ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany izay tokony ialàna. Azo isintomana lesona ireny satria tantara mitranga azo hanitsiana ny taranaka aty aoriana. Marina foana iny amin’izay rehetra mitranga amin’izao sy amin’ny hoavy. Ny dikan’izany dia tsy tokony hisy olona hahatsiaro ho voatifitra manokana fa mandinika ny fiainany dia manitsy ny lalany. Mikasika ny fampihavanana indray dia misy ny rafitra hoe filankevitry ny fampihavanana, izay farany teo moa natao hoe CFM, napetraka. Iraka nomena an’io rafitra io ny hanasitrana ny fery tamin’ny 1991 ka hatramin’ny 2009. Isany, ohatra, ny fanadiovana ny momba ireo voamarina fa nomelohina noho ny antony ara-politika, rehefa avy nandalo ambaratongam-pitsaràna. Nataon’ny CFM izany ary vitany. Nataony koa ny asa fanaovana rijan-teny ho fanarenana ireo olona rava fananana vokatry ny krizy politika. Iny no tsy vita satria tsy vonona ny vola tokony nanaovana azy dia na vonona aza ilay rijan-teny dia tsy afaka nampiharina ilay izy. Isany mbola miandry izany izao io. Ny fampihavanana ilaina eto koa angamba dia ny hoe tokony hisy ny fihaonan’ny malagasy hametrahana ny fifampitondràna ara-politika sy ara-kolontsaina, indrindra indrindra. Mbola tsy mipetraka izay fihaonana izay dia lasa misy kajikajy mandeha mampifandrirotra foana ao. Ny fifandonana politika izany koa moa tsy maintsy misy foana fa tsy hoe hilamina 100% io. Ny fifanimbàna ara-politika no tsy tokony hisy, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
Raikitra ny fampitenenana na fiarovana ny fitondrana nataon’ireo olom-boafidy
Mitohy ny fiarovan-tena sy fanadiovan-tenan’ny Fitondrana Rajoelina eo anatrehan’ny tsy fahombiazana goavana,
Misy karazany maro ny fampihavanana ilaina eto amin’ny firenena, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy.
Naneho hevitra mikasika ny filankevitry ny Minisitra nalefa ampahibemaso omaly ny mpanao politika izay efa kandida
Hita ho tena mangotraka ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ary tena mafana tokoa vao manomboka ny
Tsy azo ihodivirana ny fifanatonan’ny herivelona rehetra eto Madagasikara manoloana izao olana misy eto amin’ny firenena izao.