airtel

Politique

16-oct-2023

Imbeh Serge Jovial

“Tongava saina, Ampio ireo kandida 11 ireo !”

Sample post image

Amin’ny fo tsy miangatra no hametrahako fanontaniana aminao tsirairay, hoy ny mpanao politika, Imbeh Serge Jovial.

16-oct-2023

Niezaka ihany aho ny nanao tombana ekonomika, sosialy sy hafa maro ny zava-bitan’izao fitondrana izao fa ohatrany betsaka no tsy nahazo. Tsy anomezako tsiny ny rehetra anefa izany satria samy manana ny fomba fahatakarana ny tsirairay na “niveau intellectuel” izany fa aleoko apetraka amin’ny endriny hafa ny fanontaniana, hoy izy. Nandritra izay 5 taona izay, nitombo ve ny harinkarena ao an-tokantranonao? Afaka mamelona ny ankohonanao araka tokony ho izy ve ianao ary mamelona tsara ny fianakavianao araka ny tokony ho izy? Mahazo mitsabo tena malalaka ve ianao ary nahafapo anao ny fitsaboana? Mianatra tsara, ampy fitaovana, ary mahafa-po anao ve ny fampianarana eto Madagasikara sady maimaimpoana? Ianareo tanora vita fianarana, nahita asa ve ianareo? Ianareo mpiasam-panjakana, mahafa-po anareo ve ny fomba fiasanareo sy ny karama izay raisinareo? Ianareo beantitra sy misotro ronono, ampy ve ny “pension” na fisotroan-dronononareo? Mandeha tsara ve ny Jiro sy rano ao an-tokantranonao? Ny orinam-panjakana JIRAMA, SECREN, CNAPS, SONAPAR, MADAGASCAR AIRLINES, ARO sy maro hafa, mahafa-po anao ve ny fitantanana azy ireo? Ny vidim-piainana, zakanao ve? Tsy misy olana ve ny lalana izay halehanao, na lalam-pirenena izany na lalana an-tanan-dehibe? Mahafa-po anao ve ny fandriampahalemana na eo an-drenivohitra na any ambanivohitra? Ny asa aman’andraikitra, mahavelona anao tsara ve sady mahavelona ny ankohonanao? Tsapanao nihena ve ny kolikoly? Mandeha araka ny tokony ho izy ve ny raharaham-pirenena? Ny fanehoan-kevitra sy asa fanaovan-gazety, mandeha araka ny tokony ho izy ary tsy voatohitohina ve ny fahalalahanao? Mety betsaka ny tsy voatanisako! Raha mahafapo anao ireo dia tohizo izany ny lalanao! Raha tsy izany kosa dia tongava saina ary ampio ireo kandida miisa 11 hametraka ny fifidiana marina, madio ary ekeny rehetra mba hahafahana manorina ny hoavy ary hahafahanao manoratra pejy vaovao! Eto aho dia mandefa hafatra ihany koa ho an’ny fianakaviambe iraisampirenena, «On est complice si on ne réagit pas dans une situation catastrophique et celui ou celle qui accepte le mal sans lutter contre lui coopère avec lui ou elle.», hoy hatrany ny hafatr’ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap