airtel

Politique

01-oct-2024

Inona no tena ambadiky ny resak’i Rajoelina ?

«Tsy atao kianja ifandrafesana intsony Antananarivo »

Sample post image

Ny omaly tsy miova !? « Mila manamarika sy mametraka ny toeran’i Madagasikara

01-oct-2024

eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena misongadina sy mamiratra eo anatrehan’ny firenena maro ny « leadership » sy vina itondrantsika ny Firenena… Betsaka ireo mbola afaka nitantana ny SADC, fa noho ny fahafantarana fa mila fitantanana sy fitarihana vaovao dia izay no naha voafidy sy nahalany ahy. Efa isika izao no hamaha olana, fa tsy isika intsony no tokony hovahana ny olana. Tamin’ny krizy nisy teto, dia isika no novahana ny olana. », io no isan’ny fanokafam-bavony sy fandokafan-tenan’ny Filoha Rajoelina raha vahiny manokan’ny TVM omaly. Ny eto aza tsy voavaha sy tsy voatantana dia ny an’ny hafa no hihazakazahana ? Nilaza fa mamiratra sy miroso na betsaka aza ny olana sedraina. Tahaka ny mahazatra, ny resaka sy ny ambara fa hatao aloha no betsaka, ka dia manitrikitrika fa tsy maintsy ho tratra ny fahaleovan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fampitaovana avy amin’ny sinoa sy ny vary safiotra. Raikitra indray ny pimaso, ka nilaza ho mahatsapa ny fahantrana, ka nametraka ho laharam-pahamehana anatin’ny fohy ezaka nitady vola hozaraina ho an’ny Malagasy amin’ny alalan’ilay « Tetikasa Tsimbina » vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena 10 tapitrisa dolara. Namerina indray fa niady varotra ka raha tokantrano 657 000 dia lasa 820 000 ary raha 50 000 Ar teo aloha dia lasa 200 000 sy 250 000Ar. Raha tokantrano 17 000 ny an’Antananarivo ka niady ka lasa 180 hatramin’ny 200 000 tokantrano. Tena izay ve no tadiavin’ny Malagasy sa famoronan’asa, fananan’asa, fahafaha-mamokatra,…
« TSY TOKONY HATAO KIANJA IFANDRAFESANA INTSONY ANTANANARIVO »
Momba ny fifidianana ben’ny tanàna, ny nitanisa ny ambarany fa fahombiazany sy asa nataony ary ny antsojay nataon’ny Fanjakana Ravalomanana azy toy ny tamin’ny fananganana ny Lapan’ny tanàna no notanisain-dRajoelina. Nilaza fa izy no nahazo vato be indrindra teto, 160 000 mpifidy. Nitanisa ireo nambara fa zava-bitany teto toy ny Coliseum. « Zava-dehibe izany olona hatao ben’ny tanànan’Antananarivo izany, programa sy tetik’asa no tokony hifidianana, ka aoka izay tsy tokony hataontsika ho toerana hifandrafesana intsony eto Antananarivo. », hoy i Andry Rajoelina. Te hiteny ve i Andry Rajoelina fa tsy azo homena ny mpanohitra Antananarivo ? Sa haneho fandeferana sy fisokafana na iza na iza lany eo ? Nilaza fa betsaka ny hanampiana izay ben’ny tanàna lany eo. Nanambara fa hanampy ny ben’ny tanàna eto, ka hatao maodely amin’ny fampandrosoana Antananarivo, fa tsy ho tanan-dehibe maloto indrindra aty Afrika. Fampahatsiahivana anefa no atao hoe : angaha moa tsy efa tahaka izany fampanantenan’Atoa Andry Rajoelina tamin’ny novambra 2019 nisian’ny fifidianana ? Kandidam-panjakana no lany teo fa aiza ho aiza Antananarivo ? Raha tsy kandidan’ny volomboasary no lany eo, hitazona ny teny nomeny ve ny Filoha sa hanao fahirano an’Antananarivo toy ny tamin’ny andron’ny TIM-TGV, HVM-TIM, TGV-TIM ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap