airtel

Politique

04-juil-2024

Ireo mety ho PAN vaovao

Marie Michelle, Tokely Justin, Milavonjy P.,…

Sample post image

Fanontaniana mbola tsy voavaly hatreto taorian’ny voka-pifidianana ofisialin’ny HCC hoe :

04-juil-2024

iza no Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao ? Anarana 3 indray hatreto mandehandeha sy azo avy any amin’ny etamazaoro politikan’ny Fitondrana, dia Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle, Tokely Justin, ary Milavonjy Philobert. Ny roa minisitra teo aloha izay isan’ny tena natokisan’ny filoham-pirenena, ary samy lany tao anatin’ny poa-droa. Efa voalaza ho tsara toerana tamin’ny fanendrena Praiminisitra farany teo Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle izay mpahay lalàna niantsoroka ny raharaha mikasika lalàna teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika no natao Minisitry ny fanabeazam-pirenena. Anisan’ireo nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fandrindrana ny propagandin’i Andry Rajoelina tamin’ny filoham-pirenena farany teo, ary notohanany mafy sy nidiran’ny Filoha an-tsehatra mihitsy ny fanohanana azy tamin’ny fifidianana depiote teo. Ity Minisitra ity irery no kandida IRMAR nitarika tamin’ireo renivohi-paritany, ary poa-droa, izay toa miteraka sary fa manana lanja politika kokoa mitaha amin’ireo hafa. Ity farany ve no hitondra ny Antenimierampirenena ho valim-babena sy ho mariky ny fitokisan’ny Filoha ? Isan’ireo anarana mandeha ihany koa anefa ny an’ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin, izay nitondra sy nifehy ny atitany tao anatin’ny fotoana naharitra, ary isan’ireo minisitra tsy voahozongozona sy natokisan’i Andry Rajoelina. Nitana anjara toerana goavana tamin’ny fifehezana sy fangejana ara-politika, toy ny nialohan’ny fifidianana Filoham-pirenena nanakana ny famoriana ara-politika ankalamanjana ho an’ny mpanohitra, ka na niditra an-tsehatra aza ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Vondrona Eoropeanina fa mifanohitra tanteraka amin’ny fifanarahana momba ny zo politika sy zo sivily nosoniavin’i Madagasikara izany, dia tsy nampihemotra ny Fanjakana. Anarana iray hafa ihany koa ny an’ny depiote Milavonjy Philobert, VPM MMM tany aloha, anisan’ny nitarika ny vondrona maro an’isa nanohana ny filoham-pirenena tamin’ny andron’ny HVM, ary lasa IRD farany teo, ary nitohy amin’izao IRMAR izao. Anisan’ireo nitarika ny fiarovana ny Praiminisitra tamin’ny fitsipaham-pitokisana, ary nanenjika mafy ny Kestora izay depiote niara-lany taminy tany Ambovombe Androy dia ingahy Jean Michel Henri tsy lany tany Antanimora Sud farany teo, tamin’ny raharaha fitantanam-bolan’ny antenimierampirenena. Anisan’ireo nanenjika mafy ny PAN teo aloha Christine Razanamahasoa, izay naongana teny amin’ny HCC. Ireo no re avy any anaty etamazaoro politikan’ny fitondrana hatreto, ka samy miandry izay ho fivoaky ny sary eny Tsimbazaza izay hiditra an-tsehatra ny 09 jolay izao ny mpanara-baovao. Ny resaka kajy ara-tseza izay, fa famahana ny olana ara-toekerana, ara-tsosialy, vidim-piainana,… aloha mbola tsy dia misy iasan’ny mpitondra saina firy aminy !
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap