airtel

Politique

10-juil-2024

IRMAR manana maro an’isa hitehaka

« Aloan’ny tanàn-dehibe, efa hafatra politikan’ny vahoaka io»

Sample post image

Mitohy ny adihevitra eo anatrehan’ny fisian’ireo depiote tsy miankina nilaza

10-juil-2024

ampahibemaso fa manohana ny fitondrana, izay lasa ireharehan’ny mpitondra ho endrika fahamarinan-toerany. Eo ihany koa ny sary politika niseho tao anatin’iny fifidianana iny na mety ho tsy tena ireny aza ny vokatry ny latsa-bato fa nisy hafa natsimbadika. Ho an’ny depiote Roland Ratsiraka lany tamin’ny anaran’ny Kolekitifa an’ny Malagasy, dia nanamarika fa teto Antananarivo dia tsy kandidam-panjakana avokoa no nahazo laharana voalohany, fa ivelan’ny fitondrana, ary tahaka izany ihany koa tany Toamasina izay nahalany azy sy tany amin’ny distrika maro indrindra fa ny renivohi-paritany. Misy dikany maro, misy tenin’ny vahoaka Malagasy, maro ny zavatra tsy ankasitrahany, fahapotehan’ny làlana, fiakaran’ny vidim-piaianana,… Tsy azo hamaivanina ny safidim-bahoaka, ka nilazany fa mitazona an’izay safidim-bahoaka izay fa tsy hivadika. Raha ampy ny solombavambahoaka lany tamin’ny tsy miankina dia mijanona ho tsy miankina foana, raha ny nambarany. Ho an’ny depiote Randriantahinamalala Livasoa voafidy tao Betafo famin’ny lokon’ny Firaisankina kosa dia naneho, fa tena hijoro hiady ho an’ny vahoaka, hiteny ny tsy mety, hiteny ny marary, ary indrindra ho arofanin’izao tontolo izao, fa tsy hitehaka kanefa ny làlana Antsirabe-Antananarivo ohatra izao, dia efa lasa adin’ny dimy no hanaovana azy. Ho an’ny depiote Gascar Fenosoa, dia naneho fa tsy ho any amin’ny fanoherana, ary raha misy ny fiaraha-miasa ara-pampandrosoana azo atao avy amin’ny Fanjakana. Matoa ny vahoaka nifidy ahy fa tsy nifidy kandidam-panjakana na kandida mpanohitra dia izaho amin’ny maha tsy miankina ahy, ka tsy hamitaka vahoakan’ny Boriborintany fahatelo, hoy izy. Fotoana hitsikerena rehefa tsy mety ary hitehafana rehefa tsy mety. Tsy mbola mahafeno isa ho Vondrona Parlemantera anefa izy sy ireo miray feo aminy, ka mbola mandeha ny fifandresen-dahatra.
HANAO AHOANA NY HO AVY ?
Raha ny ao Tsimbazaza aloha izany, dia malalaka tanteraka amin’izay tanjona tiany hapetraka ny Fanjakana amin’ny resaka lalàna sy fanapahana samihafa, raha tarafina amin’io endrika ivelan’ny Antenimierampirenena io. Sarotra ny hisian’ny fitsipaham-pitokisana samihafa noho izy mila ny 2/3 amin’ny depiote raha ny voalazan’ny andininy faha-103 amin’ny lalàmpanorenana. Maro an’isa hitehaka sy hitsikombakomba sy hiaro ny tsy fahombiazana ve anefa no alain’ny vahoaka ? Vita ny fifidianana depiote nametrahana maro an’isa an-terisetra saingy mety hanahirana ny fifidianana ben’ny tanàna indrindra fa eto Antananarivo izay tena stratejika amin’ny politika? Raha ny tsoa-kevitra politika raisina tamin’iny fifidianana depiote iny, dia ho vizana ny IRMAR, raha tena fifidianana madio. Laharana faharoa ary resy lavitra avokoa tamin’ireo Boriborintany 5, ary resy tanteraka tamin’ny iray ! Hisy fahagagana ve ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

19-déc-2024

Natsikafon’ny KMF/CNOE-Fanabeazana olompirenena nanoloana ny mpanao gazety avokoa

Card image cap
19-déc-2024

Miantso ny mpomba an’i Tojo Ravalomanana mba hanao fety fa aminay dia efa mandresy

Card image cap
19-déc-2024

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

Card image cap
19-déc-2024

Kaominina miisa 427 izany hoe 25,2 %n’ny kaominina eto Madagasikara no nahitana mpifidy nampiasa

Card image cap
19-déc-2024

Lehiben’ny fokontany mihoatran’ny 20 isa no tratran’ny mpifidy, ny mpanara-maso na «superviseur»

Card image cap
18-déc-2024

Mandray fitarainana samihafa toy ny tsindrihazolena, fanararaotam-pahefana,…

Card image cap