airtel

Politique

16-oct-2024

Izay rehetra hifidy

«Tokony mahafantatra tsara ny tantaram-pirenena!»

Sample post image

Tao amin’ny sehatry ny fanabeazana foana ny tenako hatramin’izay, hoy ny mpanabe sady mpampianatra mpikaroka,

16-oct-2024

Dr Geneviève Ramakavelo. Tokony hampijoro ny olompirenena, hoy izy, ny fanabeazana. Manome azy fahalalana. Ahafahany mihary. Ahafahany ihany koa mitondra ny anjara birikiny eto amin’ny firenena. Ny sehatra farany nandehanako dia teny amin’ny oniversite. Miresaka amin’ireo mpianatra momba ny fandehanan’ny firenena ny tena dia misy miteny hoe inona no tokony hiresahana izany aty am-pianarana, aty amin’ny oniversite? Miteny aho hoe fanabeazana no atao. Omena fahalalana ny mpianatra. Fahalalana ho an’ny mpiara-monina sy ny firenena. Izay manana kara-panondro rehetra izany dia tokony mahafantatra ny fandehan’ny raharaham-pirenena! Eny, tokony hanao politika! Izay rehetra hifidy tokony mahafantatra tsara ny tantaram-pirenena! Andeha hifidy ianao. Ny dikan’izany dia repoblika no misy antsika satria ny atao hoe repoblika dia ny vahoaka no tompon’ny fahefana. Ny maha repoblika antsika no hahafahantsika mifidy nefa fanamarihana ny 14 oktobra 1958 tsy nasiantsika sira. Izay ilay hoe tokony mahafantatra ny tantaram-pirenena ny olon-drehetra fa tsy mandeha an-jambany fotsiny! Raha hifidy ben’ny tanàna eto Antananarivo renivohitra, mahafantatra ny tantaran’Antananarivo renivohitra ve hoe ahoana no fomba fitantanana teto hatramin’izay? Inona no mahasoa ny olona? Inona no tadiavin’ny olona? Olona manao ahoana izany no tokony hitondra eo fa tsy hoe rehefa omena an’ity dia mahazo an’itsy? Ny zava-misy eto Madagasikara izao dia mifampihinana ny malagasy. Misy simba sofina maheno izany nefa fahamarinana izany. Lasa samy te ho tafavoaka dia tsy maninona ny mangalatra, ny manao kolikoly. Ny sasany manao kolikoly hidirana ary. Ny sasany manao kolikoly ahafahana manao an’itsy. Ny sasany manao kolikoly ahafahany mahazo zavatra. Feno kolikoly! Aiza no sehatra tsy misy kolikoly, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap