zara raha nahazo olom-boafidy ireo antoko hafa fa azon’ny volomboasary sy ireo mpiaraka misalobo-komana aminy ny toerana maro manodidina ny 1000 amin’ny 1695. Novoizina fa ny Antoko MMM dia tsy nahazo afatsy ben’ny tanàna 14, ny TIM 38,… Fifidianana nandeha tao anatin’ny fahintsiana sy fahamarinana ve ? Mbola niampy an’ireo fanatsimbadihana voka-pfidianana na famerenana fifidianana tamin’ny kaominina maro naharesy ny IRMAR. Nihariharihary ny fampiasana ireo rafitra samihafa ho fitaovana ho an’ny antokom-panjakana. Porofo mivaingana sy fanamarihana azo atao ny hoe : nahoana no tany amin’ireo kaominina naharesy ny IRMAR avokoa no mitsimbadika ny vokatra na averina ny fifidianana ? Mba misy kaominina nandresen’ny IRMAR ve ka nitsimbadika na naverina ? Ny andininy faha-163 amin’ny lalàmpanorenena no mamaritra fa ny : « maha-Repoblika ny Fanjakana, ny foto-kevitra maha-iray tsy anombinana ny tanim-pirenena, ny foto-kevitry ny fisarahan'ny fahefana, ny foto-kevitry ny fizakan-tenan'ny Vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana, ny faharetana sy ny isan'ny fe-potoana iasan'ny Filohan'ny Repoblika, dia tsy azo anaovana fanitsiana. Ny fahefana manokana ananan'ny Filohan'ny Repoblika ao anatin'ny fisehoan-javatra mampihotakotaka na savorovoro politika dia tsy manome azy ny zo hanao fanitsiana ny Lalàmpanorenana. ». Voaresaka ao anatin’io ny maha Repoblikanina antsika izany hoe : tafiditra ao anatin’io ny demokrasia, ny fahalalana sy fisandrahana ara-poto-kevitra na « multipartisme » ka ahitana endrika amin’izany ve eto Madagasikara ? Mirona makany amin’ny hevitra sy loko tokana na « pensée unique » ka sarintsarim-pifidianana sisa ? Inona moa no maha samihafa antsika amin’ny any Chine na Korea Avaratra amin’izay lafiny izay ? Miha mizotra makany amin’ny jadona sy tian-kano sy tsy tian-kano na « dérive dictatoriale » hany ka ny olom-boatendry any anaty Fitondrana ankehitriny no misesy mandrahona sy mampihorohoro vahoaka fa tsy misy haharesy basy sy miaramila, hatramin’ny fivoriana na fifampidinihana politika anaty efitrano nisy tratry ny fanakanana tapa-bolana lasa, ny olom-boafidy tsy nankasitraka valim-pifidianana ka niantso ny mpanara-dia haneho hevitra am-pilaminana natao andrimaso tamin’ny basy sy narahana tamin’izay nalehany,… Taloha nasiana ny kianjan’ny Demokrasia fa tsy nahafa-po ka nivadika teny amin’ny 13 mey ary nakatona aza ilay kianja, fa izao izay mihetsika dia basy, fisamborana, fonja,… no miandry. Mety ho hafahafa ny sary any amin’ny faran’ny taom-piasan’izao fitondrana izao raha ho tonga hatrany !? Hanova lalampanorenana ve ka hiditra amin’ny fanjakana andriamanjaka amin’ny endriny vaovao ? Hampitombo taom-piasana satria izay amboletra natao teto toa tsy dia voasakana ? Havadika ho rafi-panjakana manome tanjaka sy fahefana tsy refesi-mandidy ny Filoham-pirenena ?
Toky R
Distrika maromaro no notsidihin’ny filoham-pirenena tany Atsimo, hoy ny antoko politika Otrikafo omaly.
Manana ny asany voatondro mazava tsara ao anaty lalàmpanorenana ny atao hoe filoham-pirenena,
Nanao fanambarana iombonana ireo depiote sy ben’ny tanàna IRMAR avy amin’ny Faritra Vakinankatra
Notanterahana teto Madagasikara tao anatin’ny roa andro dia ny 3-4 janoary tetsy amin’ny Novotel Ivandry
Ireo tsy mampiasa ny jiro nomen’ny fitondràna ihany, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina,