airtel

Politique

19-déc-2023

Jeneraly Ravalomanana

Niverina ho Filohan’ny Antenimierandoholona

Sample post image

Niverina nandray ny andraikitra maha Filohan'ny Antenimierandoholona azy eny amin'ny Lapan'ny

19-déc-2023

Antenimierandoholona Anosikely ny Jeneraly misotro ronono Atoa Ravalomanana Richard. Ny tenany izay niantsoroka ny andraikitra maha Filoham-panjakana mpisolo toerana ny tenany nanomboka ny 27 oktobra 2023 ka hatramin'ny 16 desambra 2023, araka ny fanapahana laharana faha 19-HCC/D3 navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana tamin'ny 27 oktobra 2023. Isan’ireo olona mahatokin’i Andry Rajoelina ny tenany, ary azo heverina ho nahatanteraka ny iraka politika nampanaovina azy teo anatin’izay toe-draharaha politika nangotraka izay, toy ny fifehezana ny fihetsiketsehana sy fanoherana tamin’ny endriny maro nataon’ny antoko mpanohitra. Na izany aza, adihevitra ny nahatongavany tao Anosikely sy ny nahatonga azy ho Filoham-panjakana mpisolo toerana satria nisy ny karazana fitoriana teny amin’ny HCC momba ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Herimanana Razafimahefana, toy ilay didim-panjakana niantso fivoriana tsy ara-potoana tetsy Anosikely izay nisy ny nanasokajy azy ho tsy ara-dalàna satria tokony hiaraka hantsoina foana ireo andrim-panjakana mpanao lalàna roa dia ny eny Anosikely sy Tsimbazaza. Anisan’ny nametraka taratasy tao amin’ny HCC ny Filohan’ny antenimierandoholona teo aloha sy ny depiote avy amin’ny fanoherana saingy tsy dia re intsony ny akony sy ny tohiny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap
13-mars-2025

Tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana, momba ny raharaham-pirenena sy ireo

Card image cap
13-mars-2025

Tsy misy andro iray mandalo eto ka tsy andrenesana hoe nisy fivoriana, atrikasa, famelabelaran-kevitra, fiofanana.

Card image cap
13-mars-2025

Manome vahana ny mpanao didy jadona ny fahanginan’ny vahoaka»

Card image cap
13-mars-2025

Potika ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny fihetsika politika na

Card image cap
13-mars-2025

Nahafahana nitsapa tsara ny alalin’ny rano eo amin’ireo mpitodra fanjakana eto madagasikara sy ny mpomba azy

Card image cap