airtel

Politique

17-mai-2024

Jirama

Niaiky ny Filoha fa tsy tafavoaka! Poakaty ilay 400MW…

Sample post image

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

17-mai-2024

raha nitokana ny « centrale Agro-Photovoltaïque » ao amin'ny fokontany Tsaratanàna kaominina Vinaninkarena distrikan'i Antsirabe izy omaly. Resabe ny karama hanaramana ny Tale Jeneralin’ny Jirama Ron Weiss izay notendrena tao anatin’ny filankevitry ny Minisitra ny 2 mey teo, izay mikarala an-tapitrisany Ar isan’andro. « Tena milaza aminareo aho, marary isika izao. Fa tsy maintsy mitady vaholana isika. Izay ihany koa no tiako ampitaina aminareo eto hoe nisy Malagasy maro efa nitantana ny Jirama fa tsy tafavoaka isika. Dia nitady vahaolana isika ka nampian’ny banky iraisam-pirenena, satria tsy tafavoaka isika tamin’ny fitantanana. (….) Rehefa nifandinika dia nanaiky izy ireo hoe misy "spécialiste" iray nanarina ny orinasam-panjakana tahaka an’i Jirama tany Rwanda. Israelina izy io, ary afaka manampy anareo », hoy i Andry Rajoelina naneho fa fiaraha-miombon’antoka amin’ny Banky Iraisam-pirenena no niantsoana an’io teknisianina Israelianina nitantana Electric Company nandritra ny 27 taona tany Israely sy nanarina ny Rwanda Energy Group io. « Mora ny mitsikera fa ny miasa sy mitondra vahaolana no sarotra. Eny karamaina 14 000 dolara io manam-pahaizana io, fa ny banky iraisam-pirenena no mandoa ny karamany. Tsy ny Jirama mihitsy no mandoa ny karaman’io olona io », hoy hatrany ingahy Filoha. Ampangain’ny karatra hatrany izany aloha ny Filoham-pirenena izay nampanantena 400MW tamin’ny propagandin’ny fifidianana tamin’ny 2018, ka nanambany ireo mpitondra rehetra nifanesy hatramin’ny nahazoana fahaleovantena, izay nambarany fa tsy nahavita afatsy 400MW. Tanisaina foana ireo tetikasa lehibe toa an’i Sahofika sy Volobe izay efa tetikasa hatrany amin’ireo mpitondra teo aloha saingy tsy mety tena manomboka. Miaiky ankehitriny fa tena tsy mahatafavoaka baolina amin’ny fitantanana ary porofo velona io Jirama io, ka ilay jiro kely zarazaraina amin’ny fitetezam-paritra no hanarontsaronana azy.
TARATRY NY FITANTANANA NY FIRENENA
Tapitra potika ireo orinasam-panjakana, ary efa tena latsaka ao anaty lavaka tanteraka, vao miantso vahiny hanarina azy. Taratry ny fitantanana ny firenena. Ny Air Madagascar novonoina sy matin’ny tsy fahaiza-mitantana dia natsangana ny Madagascar Airlines izay maty antoka sy bokan-trosa indray ka niantsoana vahiny, saingy mbola henjana ny zava-misy ao. Dia io ihany koa fa niantso vahiny hitantana ny Jirama. Efa niantso vahiny dia ny Rothchild & Co nanolo-tsaina ara-bola sy hanatsaratsara any amin’ny mpamatsy vola fa tsy tafavoaka,… Tsy mahovoka sy tsy manam-bahaolana ny Fanjakana, ary ireo mpitantana napetrany aza ny nitantana ny Jirama tao anatin’ny kolikoly sy afera maloto, izay toa efa taratr’ilay fitondrana. Raha niantso mpitantana vahiny, dia ny Banky Iraisam-pirenena izany no tena mitondra ny baolina. Vao andro vitsy izay no nivoaka ny fanamelohana 10 taona an-terivozona miampy onitra 2,5 miliara Ar avy ho an’ireo Tale Jeneraly napetraky ny fitondrana dia Atoa Vonjy Andriamanga sy Rivo Radanielina, saingy lasa ny alika vao manangom-bato, efa tafatsoaka na nampitsoahana vao henjehina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap