airtel

Politique

23-août-2023

Julia Mickaella Rasolofonoroniaina

Vehivavy fahatelo ho kandida filoha

Sample post image

Raha tsy misy ny fiovana dia amin’ity anio ity no hanatontosa ny fanambarana ofisialy mikasika ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena i Julia Mickaella Rasolofonoroniaina na Mishah,

23-août-2023

mpandraharaha, mpanao haiady Kick Boxing, mpitarika fikambanana, fiarahamonim-pirenena. Toerana iray eny Ivato, raha ny fampitam-baovao voaray, no hanaovany izay fanambarana izay. Fanintelony amin’ireo vehivavy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’io 9 novambra io, araka izany, ity andriambavilanitra ity raha tanteraka soa aman-tsara ny anio. Tombanana ho manodidina ny 15 isa izany hatreto ireo kandida na mety ho kandida filoham-pirenena amin’ity taona ity saingy ho hita eo moa hoe iza no tena sahy sy hihemotra amin’ny ora farany? Tsiahivina fa manomboka anio 23 aogositra ary hifarana ny 6 septambra ny fahafaha-mandray ny antotan-taratasy rehetra ilaina miaraka amin’ilay volabe 200 tapitrisa anto-bola na “caution” ho an’ireo izay tena heverina hoe vonona ny amin’izay hazakazaka hahazo ny fanalahidin’Iavoloha izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap