airtel

Politique

08-sept-2023

Kandida filoha miisa 9

“Melohinay ny fampihorohoroana, miantso ny vahoaka hijoro”

Sample post image

Namoaka fanambarana indray ireo kandida ho Filoham-pirenena maromaro omaly,

08-sept-2023

taorian’ny efa nisian’ny fanambarana niombonan’izy ireo ny 29 aogositra lasa teo. Raha 8 izy ireo no nanao izany teo aloha, dia niampy iray, ka isan’ny niombon-kevitra ao anatin’izany ny kandida Roland Ratsiraka. Ireto avy izy ireo: Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Paraina Auguste, Tahina Razafinjoelina, Hajo Andrianainarivelo, Siteny Andrianasoloniaiko, Andry Raobelina, Masy Goulamaly, ary Roland Ratsiraka. Milaza ireo kandida ireo fa misy ny: fandikana ny lalàna velona misy eto Madagasikara, izay mila ampiharina sy mila mihatra na amin'iza izy na amin iza; Fampihorohoroana sy fampitahorana, amin'ny alalan ny fampiasana zandary sy polisy, atao amin'ny mpanao politika tsy miara-dia amin'ny Fitondrana; Herim-pamoretana hatrany no entin'ny Fitondram-panjakana hanakanana ny hetsika sy fivoriana ataon'ny Kandidà manerana an'i Madagasikara anaty efitrano. Nomarihin’izy ireo anefa fa fivoriana nokarakaraina manaraka ny naoty navoakan'ny minsitry ny ati-tany, izay milaza sy manambara ny fanomezana alalana malalaka amin'ny fanehoan-kevitra, na fivoriana, na fihaonana ara-politika ao anaty trano na efitrano mifefy hisorohana korontana no nataon’izy ireo. Notsongain’ireto kandida ireto manokana ny fampiasana zandary sy miaramila nanakanana ny fivoriana anaty efitrano iarahan'ny Kandida ho filoham-pirenena sy ny Fikambanana ary ny olom-pirenena tsotra, natao teny amin'ny Yandy By Pass ny alakamisy 24 Aogositra sy teny Mandrimena Andoharanofotsy ISTS ny alatsinainy 04 Septambra 2023. Tahaka izany koa ny fisian’ny fiantsonan'ny mpitandro filaminana mirongo fitaovam-pladiana manoloana ny trano fonenan'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina nandritra ny ora maromaro, toy izay nitranga, omaly talata 05 septambra 2023. Notsikafonin’ireo kandida ny fisiana mizana tsindrin'ila ampiharina aminy kandidà ho Filoham-pirenena tsy miara-dia amin ny Fitondrana tahaka ny fanakanana amin'ny fomba maro samihafa amin'ny fanatanterahana ny fihaonany amin'ny mpanara-dia azy. Ankilany anefa, navela malalaka tsy misy sakantsakana ny mpiara-dia amin’ny fitondrana na any anaty efitrano na eny ankalamanjana, toy ny teny amin'ny Kianja Analamahitsy sy teny Atsimondrano ary teny amin'ny cCl lvato, vao tsy ela akory izany. Misy ny fampiasana tsy ara-dalàna ny Fahefam-panjakana ho amin'ny tombontsoa manokan'ny olon-tsotra na ny Antoko miara-dia amin'ny Fitondrana, izay hitam-poko sy hitam-pirenena izany tamin'ny Kongresy nataon'ny Antoko TGV tetsy amin'ny CCl lvato, ny alatsinainy 04 Septambra sy Talata 05 Septambra lasa teo. Ny fahefana nampindramin'ny vahoka malagasy ny mpitondra dia nentiny hiantsoana olom-boafidy sy hanerena an-kolaka olom-boatendry hanatrika izany Kongresy izany, ary ny fitaovam-panjakana toy ny fiarakodia maro dia nampiasana hanatanterahana izany fihaonana izany. Ankilany, misy sakantsakana mivantana na ankolaka mahazo ireo kandida hafa, ka anisany ohatra, ny fanasarotana ny fahafahana mampiditra angidimby, ankoatra ireo toe-javatra hafa efa iaraha-mahita.
MANAMELOKA SY MANOHITRA NY FANAKANTSAKANANA, MIANTSO NY VAHOAKA HIJORO
Noho ireo antony rehetra ireo, “melohinay ary toherinay amin'ny herinay manontolo ny: fanakantsakanana amin'ny endriny maro samihafa (na mivantana izany na an-kolaka) ny hetsika atao amin'ny antoko mpanohitra sy ny kandida ho filoham-pirenena ary fanohintohinana ny zo sy fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara, ny fandikana lalàna miverimberina ataon'ny mpitondra ankehitriny, ny fampiasana ny fahefam-panjakana eo ampelatanan'ireo olom-boafidy sy olom-boatendry miara-dia amin’ny fitondrana”, hoy ireo kandida miisa 9. Tany tan-dalàna I Madagasikara ary misy ireo fahefana natao hampihatra ny lalàna, koa takianay ny fanajana sy ny fampiharana tsy misy fepetra ny lalàna mitovy na amin'iza na iza. Miantso ny vahoaka Malagasy rehetra hijoro sy hiaro hatrany ny fampiharana ny lalàna velona misy eto Madagasikara, hoy hatrany io fanambarana io. Samy miandry ny ho fivoaran’ny toe-draharaha politika ny rehetra!
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap