Dia misy koa, hoy izy, mankaty amin’ny nentim-paharazana. Mitovy tantana izany, araka ny fiheveran’ny fiarahamonina azy, samy ilay nahary, ilay tompon’ny hery lehibe sy hasina lehibe naha tany ny tany, naha zavaboary ny zavaboary, tompon’ny fanatanterahana ny fikasan’olombelona. Izay no anton’ny hoe misy ny mankany am-piangonana. Misy ny manatona aty amin’ny ara-drazana. Ho an’ny nentim-paharazana dia tsy manavakavaka ny mpisolotena an’Andriamanitra Andriananahary nataon’ireo razana teo aloha anay taranaka taty aoriana. Rehefa manome tso-drano ny zaza mbola kely aza dia hoe enga anie mba ho lasa olona ambony, manam-pahaizana, handeha ho any an-dafy. Tso-drano izany. Rehefa misy taranaka malagasy te ho lasa filoha izany, tsy miresaka toe-tsaina eto na firehana politika, dia atao ahoana moa no tsy hanome tso-drano azy raha te ho lasa mpitondra ambony eto amin’ny firenena izy? Azy sy ny mpahary sy ny razana indray no mifampitady avy eo rehefa toa ka hanao ratsy na hametsifetsy na hivadika amin’ny tanindrazana no ao an-tsaina ao. Tsaratsara ho an’ireny olona ireny no tsy mankaty amin’ny mpandala ny nentim-paharazana fa lasa ozona ny tso-drano omena azy amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.
Mitohy ny karazana kabary sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, ka ny resaka fanonganam-panjakana tsy hisy
Nandeha fampanoavana teo anivon’ny TAF (Tribunal Administratif et Financier) omaly ny raharaha
Ranolava hatrany ny fanambarana ataon’ireo olom-panjakana sy olon’antoko na vondron’antoko mpanohana fitondrana.