airtel

Politique

05-juin-2024

Kandida tsy miankina Sambo ao Iakora

Mitarika lavitra be manoloana ny kandidam-panjakana

Sample post image

Mitarika ary naman’ny efa mibata fandresena miezinezina amin’ny isan-jato mazava 46,09%

05-juin-2024

amin’ny alalan’ny mpifidy 6101 ny kandida tsy miankina dia Atoa Sambo dit Rapasy laharana faha-3 ao amin’ny distrikan’Iakora anatin’ny faritra Ihorombe, raha ny vokatra feno tamin’ireo birao fandatsaham-bato 68/68, navoakan’ny SRMV, ka fanamafisana avy amin’ny CENI sy HCC sisa andrasan’ny vahoaka any an-toerana. Vizana tanteraka ny kandidam-panjakana Atoa Tsikilezy Mahazo izay tsy nahazo afatsy 25,25% tamin’ny alalan’ny vato 3342. Kandida tsy miankina Rakotonirina Jimmy Joe kosa no fahatelo izay nahazo salan’isa 23,53 tamin’ny alalan’ny isam-bato 3114. Sambany izany fandresena kandida tsy miankina ny kandidam-panjakana izany tao amin’ity distrika ity, raha ny fanamarihana. Nisy ny fiaraha-mientana teo amin’ny vahoakan’Iakora izay resy lahatra tamin’ny Kandida Sambo, ka nibatany ny fandresena miezinezina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

fa kosa tsy azo atao ny mangina sy mikipy eo anatrehan’izao fahapotehana maro lafy izao.

Card image cap
22-oct-2024

Tao anatin’ny herinandro latsaka kely nanombohan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo na AMA

Card image cap
22-oct-2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

Card image cap
22-oct-2024

Taorian’ny Kaominina Alasora Avaradrano dia fantatra fa efa ahitana ilay lalao maloto momba ny fifidianana

Card image cap
21-oct-2024

Feno herintaona ny nisian’ny vondron-kery manokana vonjy taitra GFSI (Groupement des Forces Spéciales d’Intervention)

Card image cap
21-oct-2024

Tsy fampanantenana sy toky fitaka hatrany no ilaina, asa no ilain’ny vahoaka fa tsy fampanantenana poakaty, hoy ny kandida Tahina Razafinjoelina ny sabotsy teo,

Card image cap