ary miha mitotongana tanteraka. Efa nakarina 163 ny isan’ny depiote, saingy latsaky ny tamin’ny 2019 nahazoany mihaotra ny 80 ny 79 azon’ny IRMAR tamin’ny anarany manokana hatreto. I Fianarantsoa Renivohitra irery no nitarika ny kandidan’ny IRMAR tamin’ireo renivohi-paritany 7. Na ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina aza dia mandeha ny feo fa tsy faly sy tsy afa-po tamin’ny vokatra, kanefa moa ny anaran’ity farany sy ny sariny no efa natao fitaovana tetsy sy teroa. Ho an’ny Renivohitr’i Madagasikara, tsy nisy na Boriborintany iray aza nandresen’ny IRMAR, ary mety tsy hanana depiote ao amin’ny Boriborintany faha-3. Toy izao izany Boriborintany I : Hanitra Razafimanantsoa (Firaisankina) 38,25% , Augustin Andriamananoro (IRMAR) 38,04%. Boriborintany II : Stanislas Randrianarisoa (Firaisankina) 52,01%, Lantoarivola Rakotomanga (IRMAR) 38,65%. Boriborintany III : Gascar Fenosoa (Indépendant) 30,04% Feno Ralambomanana (Firaisankina) 25,18% . Boriborintany IV : Tahiry ny Rina Randriamasinoro (Firaisankina) 46,34%, Désiré Rafidimanana (Irmar) 34,33%. Boriborintany V : Fetra Ralambozafimbololona (Firaisankina) 41,57%, Ranaivo Raholdina (Irmar) 39,62% Boriborintany IV: Todisoa Andriamampandry (Firaisankina) 50,85%, Tantely Razanamandimbisoa (Irmar) 28,74%. Amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy dia azo maridrefy sady fambara zavatra tsy azo hamaivanina ny voka-pifidianana teto Antananarivo. Tafiditra laharana faharoa, resin’ny kandidan’ny mpanohitra na kandida tsy miankina ny olon’ny IRMAR raha ny nambaran’ny CENI. Any Mahajanga I ohatra, ny kandida Rahantanirina Lalao (IRMAR) 26,45 raha toa ka 44,52% i Afakandro Christian. Isan’ny nandrasan’ny maro ny vokatra tao Faratsiho, ka mitarika mazava 45,29% ny kandida Ramilison Nomenjanajary na Mily manoloana ny minisitra kandida Lalatiana Rakotondrazafy nahazo 40,46%. Tany Nosy be Hell ville, resin’ny kandida tsy miankina nahazo 55,40% ny olon’ny Irmar (30,42%). Tany Betroka dia resy ihany koa ny kandida natolotry ny antokon’ny fitondrana. Vizana tanteraka amin’ny elanelan’isa 62,41% noho 31,77% ny kandidan’ny IRMAR izay filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD Velontsara Paul Bert manoloana ny tsy miankina Olivier Rabeamina. Ity farany izay nalaza tamin’ny setrasetra politika samihafa. Saika vizana tao amin’ny Faritan’i Mahajanga, toy ny tao Mitsinjo satria mitarika lavitra 39,06% i Ahmad Ahmad raha fahatelo ny IRMAR, Marovoay, Any Fandriana, novizanin’ny kandida Liva Zavamanitra 50,49% ny minisitra teo aloha Solo Andriamanampisoa tsy nahazo afatsy 31,32%. Antalaha resy 49,07% manoloana ny tsy miankina Fernand Eric Sandhy Nasira Julien sy Jerry Marcoss 50,93%, saingy efa lasa toerana roa moa ny any. Tany Antanimora SUD, resy tanteraka ny IRMAR Henri Jean Michel laharana fahatelo amin’ny kandida telo, tsy nahazo afatsy 17,45% raha 44,47% ny kandida tsy miankina Goulamaly Jacques kanefa ny Filoham-pirenena mihitsy no nirotsaka an-tsehatra tany,…
TENA MITOMBINA NY HOE ALOAM-BAHOAKA
Marina fa nahazo ny maro an’isa ny antoko eo amin’ny fitondrana saingy, tsy afaka misioka satria tsy mbola tafavoaka ny ala, mitombo hery ny mpanohitra, miha tonga saina ny vahoaka mpifidy mahatsapa ny ngidin’ny fiainana noho ny tsy fahaiza-mitantan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tao anatin’ny 5 taona. Noho ny « werawera » natao teto, tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny fiainana, mitombo isa ny malagasy sahirana ara-pivelomana sy iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo, bokan-trosa, tsy manam-bola ny fanjakana, mihisatra ohatry ny sokatra ny fanatanterahana ireo hoe tetikasa goavana nambaboana ny fon’ny mpifidy. Manova famindra ny mety raha mpitondra manana fahendrena. Raha tsy nisy ny kajy maloto samihafa sy ny fanararaotam-pahefana, azo antoka fa tena resy lavitra ny volomboasary. Mazava ho azy fa mbola andrasana ny didy havoaky ny HCC satria maro ihany koa ny fitarainana sy fitoriana noho ny ahiahina halabato sy hosoka. Manana 48 ora taorian’nynamoahan’ny CENI iny vokatra iny ireo kandida hametrahana fitarainana eny amin’ny HCC Ambohidahy.
Toky R
Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro
Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina
Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny
Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika
Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady
Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.