airtel

Politique

06-sept-2023

Kandidan’ny Kristianina manao politika sy ny TGV

Mety hifanena anaty fifanehoan-kery…

Sample post image

An-kafaliana lehibe no anambarana amintsika vahoaka malagasy iraimanontolo fa ny alarobia 6 septambra 2023

06-sept-2023

amin’ny 10 ora maraina eo Anosibe no fotoan-dehibe hifampitaomantsika hametraka ny antotan-taratasy firotsahana ho fidian'i Eliace Ralaiarimanana, ilay nomen'Andriamanitra ny fanalahidin'i Madagasikara, hoy ny fanambaran’ny kandida ho filoham-pirenena avy amin’ny antoko politika Kristianina manao politika, Eliace Ralaiarimanana, tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Hanandrana hanao fanehoan-kery miainga eo Anosibe miaraka amin’ireo mpanaradia aminy ho eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC Ambohidahy, araka izany, ity kandida ity hanatitra izay antotan-taratasiny izay. Etsy ankilany dia andrasana koa ny fanambarana miezinezina ho heno ao amin’ny kianjaben’i Mahamasina ao izay hiheverana fa hivoahan’izay ho kandidan’ny antoko politika tarihin’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, dia ny TGV na Tanora malagasy vonona izany. Ho kandidan’ity antoko ity ihany ve ny filoham-pirenena ankehitriny sa tsia? Handray ny atotan-taratasy filatsahan-kofidiany ary hanaiky ny ho firotsahany ho filoham-pirenena malagasy fanindroany ve ny HCC na dia eo aza ity fanenjehana mamaivay mihatra aminy noho ny hoe tsy fananany zom-pirenena malagasy intsony fa tokana ihany dia frantsay ity? Mety hifanena anaty fanehoan-kery, araka izany, ny kandidan’ny Kristianina manao politika sy ny TGV satria vinaniana ho samy hanatitra ny kandidany avy ho eny Ambohidahy. Ny iray hiainga etsy Anosibe. Ny iray etsy Mahamasina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap