airtel

Politique

09-juil-2024

KAOMININA ANDRANONAHOATRA

Ny 70%-n’ireo asa nampanantenain’ny Ben’ny tanana no vita

Sample post image

Ny 70%-n’ireo asa nampanantenain-dRasamison Hajaniriana Ben’ny tananan’Andranonahoatra

09-juil-2024

tamin’ireo vahoaka tantanany nandritra ny fampielezan-kevitra no fantatra fa vitany tao anatin’ny efa-taona nitondrany ny tanana. Amin’ny datin’ny 16 Jolay ho avy izao no hampisehoany sy hampahafantarany ny vahoakan’Andranonahoatra izany rehetra izany izay mivondrona ao anatin’ireo Fokontany miisa 7. Amin’ny alalan’ny fandefasana horonan-tsary mihetsika mirakitra ireo zava-bita no hanatontosany izany, lanonana hotanterahina ao an-tokontany malalaky ny kaominina. Nambarany nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly fa marobe ireo zava-bita teo anivon’ny kaominina ary saika miely patrana manerana ny Fokontany mihitsy izany. Sekoly ambaratonga fototra maromaro ohatra no nahavitany efitrano fianarana miisa 5 isanisany toy ny ao Andranonahoatra, Cite Akany Sambatra…. Nisy ihany koa ny CSB II vaovao vao vita ao Ambaniala izay misy efitrano fiterahana ho an’ny vehivavy, ny fizarana sakafo ho an’ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo sy ireo mpampianatra nitsara ny taratasim-panadinana, ny didim-poitra sy ny kopia faobe ary ny fampiroboroboana ny lafiny ara-panatanjahantena. Mikasika ireo 30% tsy vita kosa dia nambarany fa noho ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 no antony ankoatra ny fahasahiranana ara-bola mianjady amin’ny kaominina.
Pati
Legende : Eo an-dalam-panamboarana ity lalana miakatra eo Betavoahangy ity indray ny kaominina amin’izao !
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Anisan’ireo fikambanana resy lahatra ny amin'ny vinan'ny Tahiana Razafinjoelina (TR) ny Tanora Miharisoa 67 ha

Card image cap
17-oct-2024

Mihamafy ny tsindry ho an’ny Fitondrana Rajoelina na efa mafy aza ny vesatra eo anatrehan’ny krizy ara-tsosialy

Card image cap
17-oct-2024

Mafampana hatrany ao Tsimbazaza ao anatin’izao fivoriana ara-potoana eo anivon’ny Antenimierampirenena izao.

Card image cap
16-oct-2024

Aok’izay, tsy atao sosety, tsy atao lafika izany intsony , tsy atao tohatra fiakaana izahay ambany tanana fa mila olona tena hitondra ny fanovana,

Card image cap
16-oct-2024

Ny fanotronan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI

Card image cap
16-oct-2024

Niditra amin'ny fivoriana ara-potoana nanomboka omaly 15 oktobra ny antenimierampirenena.

Card image cap